Mety efa henonao ny momba ny fitokonana tamin'ny 6 Aprily nitranga teto Egypta, sy i Esraa Abdelfattah, mpamorona ny hetsika Facebook Group nosamborina ary avy eo nambara fa tsy hita nanjavonana, ary hoe navotsotra afaka minitra maro taty aoriana.
Izany no nanosika an'i Michaelitoo hanapa-kevitra ny hanoratra eto momba azy sy ireo Egyptiana hafa nanjavona tao anatin'ireo taona vitsy teo aloha.
الاسم
رضا هلال..كاتب صحفي مشهور بجريدة الاهرام..كتب مؤلفات عديدة عن المسيحية الصهيونيه و عن الجماعات الاسلاميه و كتاباته دي لم تعجب الكثيرين فإختفي
:الاسم
وفاء قسطنين..زوجه قسيس قررت إعتناق الاسلام بمحض إرادتها فلم يعجب الامر المسيحيين في مصر فتظاهروا و إعتكف البابا ثم إختفت وفاء
:الاسم
إسراء عبد الفتاح..شابه مصريه كانت مخنوقه من موضوع الاسعار و طابور العيش و الفساد فعملت جروب ع الفيس بوك نادت فيه بالاضراب فتم القبض عليها ثم إختفت
Anarana: Reda Helal… mpanoratra fantatry ny maro tao amin'ny gazety Al-Ahram. Nanoratra boky maro momba ny maha-Kristiana, ny Sionisma, ary ny hetsika silamo izy, ary maro no tsy nankasitraka izay nosoratany, avy eo dia tsy hita ny nalehany.
Anarana: Wafaa Costantine…vadina eveka nanapa-kevitra ny hanaraka ny finoana silamo, araka ny faniriany fotsiny izao. Be ny Kristiana tsy nankasitraka izany, ka nanomana hetsika ary dia nanao fitokonana ireo Raiamandreny ara-panahy, avy eo tsy hita izay nanfavonany.
Anarana: Esraa Abdel Fattah… Vehivay Egyptiana mbola erotrerony tsy faly tamin'ny fidangan'ny vidin'ny mofo sy ny tsy fahampiany tany amin'ny faritra sasantsasany ka nanangana ny vondrona Facebook ary niantso fitokonam-be, nosamborina ary avy eo tsy hita izay nanjavonany.
Posted by Tarek Amr
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...