- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Zimbaboe : Mofo sy Raozy

Sokajy: Zimbaboe, Mozika, Zavakanto & Kolontsaina

Ny namana Fatso [Comrade Fatso] izay mpanakanto miblaogy no manolotra antsika sombiny amin'ny hirany farany Bread and Roses [1] [Mofo sy Raozy], izay mivoaka any Zimbaboe :

The hit song from Comrade Fatso and Chabvondoka's new album, House of Hunger. Sung from the perspective of a vendor during Mugabe's vicious Operation Murambatsvina it is a call for Bread and Roses – Love and Dignity.

“Ity hira mavitrika indrindra notsongaina tamin'ny raki-kiran'i Comrade Fatso sy Chabvondoka, izay mitondrany lohateny hoe “Tranon-kanoanana” [House of Hunger]. Dia tantaran'ny mpivarotra iray mangataka mofo sy raozy – fitiavana sy fanajana ny maha-olombelona [azy], nandritra ny Operation Murambatsvina izay teti-dratsy nataon'i Mugabe.”