- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maraoka:Aza kitikitihana ny mpitari-pivavahako!

Sokajy: Fahalalahàna miteny, Fivavahana

Robin des Blogs [1] dia naharay fanamarihana efa ho ampolony mahery tamin'ny hafany momba ny minisitra ao amin'ny Governemanta Marokana niantso ny mpitari-pivavahana (muezzin) tao amina toeram-pivavahana silamo iray mifanakaiky amin'ny faritra natao ho fizahan-tany mba tsy hikaika fivavahana.
Ity no lohatenin'ny hafatra,” Aza kitikitihana ny mpitari-pivavahako” [Hands off my muezzin] izay naharaisana fanamarihana maro avy amin'ny mpamaky, sy anaovan’izy ireo sarinteny avy amin'ilay teny faneva diso fantatra loatra ankehitriny hoe “Aza kitikitihana ny fireneko” [Hands off my country], fanta-bahoaka, ary hetsiky ny tanora mahazo laka ho fanakiviana ny fondamentalisme islamique.

Sur mon [ancien] Blog, j’avais répondu à Karim Boukhari, du magazine telquel sur la même question dont je vais parler, aujourd’hui, mais ce qu’il a dit lui est franchement tres bénin comparé à ce qu’a demandé Mme Nouzha Skalli, la ministre du developpement social, de la famille et de la solodarité (ouf!).
Madame la ministre, et lors d’une réunion du gouvernement, a en fait, delaissé ses prérogatives et s’est lancée dans un discours incompatible avec ses fonctions, tout d’abord, et rudement vexant pour tout musulman; que ce soit dans ce cher pays ou de part le monde.

Tao amin'ilay blaogiko [fahiny], dia namaly an'i Karim Boukhari avy amin’ny gazety-boky Telquel aho, momba ny resaka izay averiko taterina androany eto, nefa izay nolazainy dia tsorina fa malefaka noho izay nangatahan-dramatoa Nouzha Skalli, minisitry ny fampandrosoana ny sosialy, ny fianakaviana ary ny firaisankina (ouf!).
Ramatoa Minisitra aloha, nandritry ny fivorian’ny governemanta, dia toa nanadino ihany ny laharam-pahamehany sy nilaza zavatra tsy mifandray akory amin’ny andraikiny, ary tena mahasanganehana ny silamo rehetra; na izany ho an’ny ato anatin’ity firenena lalaina ity na maneran-tany.

De quoi ça s’agit? Rien de spécial, sauf peut etre que la charmante dame a demandé au ministre des affaires islamiques d’uniformiser l’horaire de l’appel à la prière ( al adan) , aisni tous les muezzins du Maroc seront synchronisés, et aussi d’abolir l’appel à la prière d’ALFAJR dans les mosquées juxtaposées aux hotels et aux complexes touristiques. Rien que ça?!!
Selon elle, le muezzin dérange les gwer qui n’aiment pas être reveillés aux aurores et que par conséquent, cela nuit gravement aux projets touristiques au Maroc. Non mais je rêve?!! Iwa pkoi pas abolir l’aid El Adha qui froisse BB, le Ramadan qui derange aussi les goinfres, et tiens tout l’islam et faire du Maroc un vrai plusbopaysdumonde, sans identité, sans culture, et sans souverainneté et tout ça pour que jean paul profite un max de son sommeil payé en devises, et du coup de son séjour ici bas.

Momba inona ny resaka? Tsy dia misy inona loatra, raha tsy hoe angaha ity ramatoa mahafatifaty nangataka ny minisitry ny raharaha silamo (affaires islamiques) mba hampitovy ny ora fihaikana ny olona hivavaka ( al adan) , amin’izay, hono, ho tafaraka amin’ny ora iray daholo ny mpitari-pivavahana manerana an’i Maroc, hanafoana koa ny antso ho amin’ny vavaka ALFAJR amin’ny toeram-pivavahana mifanila amin’ny trano fandraisam-bahiny sy ny faritra fizahan-tany. Izany rehetra izany?!!
Aminy, ny mpitari-pivavahana dia manelingelina ny gwer (tsy hain’ny mpandika na vahiny mpizaha tany no tondroina eto) izay tsy tia tairina vao maraim-be ka noho izany dia mety hanohintohina mafy ny tetik’asa momba ny fizahantany eto Maraoka. Tsia an, manonofy ve aho?!! Nahoana koa no tsy foanana ny aid El Adha izay mandrangitra ny BB, ny Ramadan izay manelingelina ny tendan-kanina, ary ny Silamo manontolo ka avadika ho ny firenena tsara indrindra eto ambonin’ny tany i Maraoka, tsy manana ny maha izy azy, tsy manana kolontsaina, tsy manana fiandrianam-pirenena ary izany rehetra izany dia ny mba hahafahan’i jean paul migoka araka izay tratra ny torimasony naloa tamin’ny vola vahiny , sy ny fivahinianany eto an-tany.

Mais Madame, l’appel a la prière est une chose sacrée et le décalage des minutes est une merveille d’ALLAH qui fait que le ADAN ne finit pas de retenir de part le monde, et ce durant les 24 heures, car quand un muezzin dit La Ilaha Illa Allah, un autre dit Allahou akbar plus loin… et il n’ya pas de priere sans ADAN de toutes façons. Sinon comment voulez-vous que L’imam appelle les gens à prier dans ces mosquées là? Il les Bipe?… En plus et même en europe, aux etats unis ou autres pays où l’islam n’est pas la religion officielle, ou même laïques , les muezzins appellent à toutes les prières et n’ont jamais reçu de réclamations, ni personne n’a demandé à les faire taire. Alors comment osez-vous dire ce genre de conneries dans un pays musulman, avec sang froid et sans scrupules ?
Arretez SVP d’empoisonner notre vie avec votre charlatanisme politique de pacotille et faites nous le plaisir de respecter ce pays, sa religion et surtout les sentiments de ce peuple qui n’attends plus rien de vous. Enfin pas encore!

Nefa ramatoa, zava-masina ny fiantsoana ny olona hivavaka ary ny minitra tsy itoviana dia zava-tsoa avy amin’i ALLAH , mahatonga ny ADAN ho mitohy foana mandritry ny 24 ora eran’izao tontolo izao, satria rehefa miteny ny La Ilaha Illa Allah ny mpitari-pivavahana iray, dia misy iray hafa mamaly any ho any hoe Allahou akbar… ary tsy misy fivavahana tsy misy ADAN izany mihitsy koa. Raha tsy izany ahoana no hilazanao ny amin’ireo Imam miantso ny olona hivavaka eny amin’ny mosquées ireny? Bip amin’ny finday ve?… Ankoatra izay, ary hatrany Eropa, Amerika na firenena hafa izay tsy manana ny Silamo ho fivavahana ofisialy, na laika, ny mpitari-pivavahana dia miantso foana ny olona hivavaka fa tsy mbola nahazoana fitarainana mihitsy, tsy mbola nisy koa olona nangataka azy hikombom-bava. Koa ahoana no ahasahianao miteny hadalana be vava toy izany ato amin’ny firenena Silamo, tsy taitra akory sy feno tsy firaharahiana ?
Atsaharo ny fanapoizinanareo ny fiainanay amin’ny kobaka am-bava ara-politika ary omeo fahahafam-po izahay amin’ny fanajana ity firenena ity, ny finoany ary indrindra indrindra ny fihetseham’pon’ny mponina izay tsy miandrandra na inona na inona intsony avy aminareo . Eny e, na dia tsy mbola tena izany aza!