Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

17 Avrily 2008

Tantara tamin'ny 17 Avrily 2008

Zimbaboe : Hibodo ny fankalazana ny fetin'ny fahaleovantena

Bev Clark no mametraka ny fanontaniana ao amin'ny blaogin'ny kubatana.net moa ve tokony hibodo ny fankalazana ny fetin'ny fahaleovantena [amin'ny Zoma] ny Zimbaboeana : A young man has written to Kubatana asking us to forward his “plea” to people to boycott the Independence celebrations even if they want to see...

Zimbaboe : Toeram-piadanana afaka handalovan'ny Afo Olaimpika Sinoa

Tomas Muarramuassa no manoro hevitra ny tombotsoan'ny mpikarakara amin'ny fampandalovana ny Afo Olaimpika any Zimbaboe : O único lugar do mundo onde a tocha olímpica poderia passar despercebida, em paz, capaz de não arrastar os indesejáveis manifestantes pro-Tibet poderia ser no Zimbabwe, onde a população não só não sabe o...

Ny fikitikitihan'i Mugabe ireo tombotsoan'ny fotsy hoditra no fototry ny fitsikerana azy

Ny blaogy Babilown no mitatitra ny hevitry Eloi Goutchili raha mampitaha mpitondra jadona Afrikana roa lahy Robert Mugabe sy Paul Biya, filohan'i Kamerona nandritra ny 25 taona mahery izao, ka ny fehin-keviny dia ny hoe … izay fomba fitantaran'ireo fantsona fampahalalam-baovao Tandrefana ihany no mahasamihafa azy roa lahy ireo :...

Maraoka:Aza kitikitihana ny mpitari-pivavahako!

Robin des Blogs dia naharay fanamarihana efa ho ampolony mahery tamin'ny hafany momba ny minisitra ao amin'ny Governemanta Marokana niantso ny mpitari-pivavahana (muezzin) tao amina toeram-pivavahana silamo iray mifanakaiky amin'ny faritra natao ho fizahan-tany mba tsy hikaika fivavahana. Ity no lohatenin'ny hafatra,” Aza kitikitihana ny mpitari-pivavahako” [Hands off my muezzin]...

Haiti: Ny anton'ny rotaka

Lazain'ny The Haitian Blogger  (mpamaham-bolongana Haisiana) fa “diso toerana (babangoana na hafahafa) ny mandre ny filazan'ny  Amerikana ‘fahombiazana’ tamin'ny rotaka miady hanina any Haiti.”

Armenia: Kolontsaina hafa

Manoratra ny kolontsaina mety ho hafahafa amin'ny vahiny miaina any Armenia i Dominic. Tsy maintsy miatrika ny fifampitantanan'ny olona amin'ny fandihizana tampoka eny an-dalana, marihin'ingahy mpanolotenan'ny tafi-pandriampahalemana moa fa mahitsy fo kokoa ny Armeniana amin'ny fitsikerana ny hafa.

Vietnam: Androm-pahatsiarovana ny mpanjaka Hung

Ny mpamaham-bolongna Faster than the Fastest (haingana noho ny tena haingana) no manontany: “Fantatry ny Vietnamiana rehetra fa 18 ny isan'ny mpanjaka Hung 18 tao anatin'ny 4000 taonan'ny tantara, Nahoana moa no ao anatin'ny iray andro ihany no ahatsiarovana azy ireo? Fa angaha andro mitovy no “niambohoan” izy rehetra?”

Jordana: Ahoana ny ahafahan'ny praiminisitra maneho ny fahamendrehany?

Avy any Jordana i Khalaf no manontany: “Ahoana moa no ahafahan'ny praiminisitra nitondra fiakaram-bidin-javatra mihoatra ny 10% nandritra ny fotoana nitondrany, nampihisatra ny fitomboan-karena, tsy nahombiazana teo amin'ny sehatry ny fahasalamana sy ny fampianarana ary tsy afa-nanatontosa tetikasam-panjakana lehibe mihitsy no mbola ho afa-manaporofo ny fahamendrehany?”

Tadjikistan: Fitsinjarana mitanila ny harena

Sahala amin’ny filam-boatsiary izany mitady zavatra mitera-bokatra hatao eto Tadjikistan izany raha toa ianao ka manaraka ny fepetra sy fitsipika rehetra noferan’ny fanjakana. Anaovan’ny olona sangy ratsy mihitsy ny filazana fa ny làlana mora hahatonga ho olona manan-karena dia ny fidirana ho ao amin’ny governemanta na olona akaikin’ny governemanta. Mety...