- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Zimbaboe : Hatraiza ny fahefan'i Mbeki

Sokajy: Afrika Atsimo, Zimbaboe, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifidianana, Politika

Hope no manoratra ao amin'ny blaogy This is Zimbabwe ny fahakiviany tanteraka tamin'ny fihetsiky Thabo Mbeki [1] filohampirenena Afrikana Tatsimo :

Mbeki, after going to Harare to see Mugabe, says today that there is “no crisis”…I cannot believe I am so upset – again – because whenever I know Thabo Mbeki is about to meet to discuss anything to do with the Zimbabwean crisis, I steel myself for extreme disappointment. He never fails to deliver, so why do I stupidly, even when I expect it, feel dumbfounded when it comes?!

“Rehefa avy nitsidika sy nidinika tamin'i Mugabe tany Harare [renivohitry Zimbaboe] i Mbeki dia nanambara fa “tsy misy ny olana” … Tena tsy mampino ahy. Maharomotra ahy – indray – satria isak'izay nandrenesako hoe hidinika mikasiky ny raharaham-pifidianana any Zimbaboe i Thabo Mbeki, dia efa niomana ny hisedra fahadisoam-panantenana aho. Tsy mbola nandiso izay ahiahiko izany izy hatramin'izay, koa raha efa nivonona toy izany ary aho dia nahoana no mbola zendana ihany rehefa tonga tokoa ?”