Israely : Ny fampiasan'ny tovovavy finday amin'ny fiarahan'olon-droa

Milalao Afo : Ny fampiasan'ny tovovavy palestinianina any Israely Finday [ANG – PDF] [Playing With Fire: On the domestication of the mobile phone among Palestinian teenage girls in Israel] no lohatenin'ny tahirin-kevitra iray nosoratan'i Hiyam Hijazi-Omari sy Rivka Ribak. Ny fampiasan'ireo tovovavy any Israely ny finday moa no nanaovan'izy ireo fanadihadiana. Voalaza amin'ny antsipirihany ao amin'io tahirin-kevitra io ny fampiasan'ny tovovavy Israelianina finday ; finday nomen'ny sipany moa no nampiasain'ireo tovovavy tamin'izany (2003 – 2006), ary tsy fantatry ny ray aman-dreniny.

Izao no nosoratan'i danah boyd ao amin'ny Shift6 :

Palestinian boys give their girlfriends phones for the express purpose of being able to communicate with them in a semi-private manner without the physical proximity that would be frowned on. At the same time, girls know that parents do not approve of them having access to such private encounters with boys – they go to great lengths to hide their mobiles and suffer consequences when they are found out. While the boys offered these phones as a tool of freedom, they often came with a price. Girls were expected to only communicate with the boy and never use the phone for any other purpose. In the article, Hijazi-Omari and Ribak quote one girl as expressing frustration over this and saying “I did not escape prison only to find myself another prison.” These girls develop fascinating practices around using the phone, hiding from people, and acquiring calling cards.

Omen'ny tovolahy palestinianina finday ny sipany mba hahafahan'izy ireo manana fifandraisana manokana, tsy amin'ny alalan'ny fihetsika ety ivelany izay tsy hahazoany fankasitrahana. Fantatry ny tovovavy koa fa tsy ankasitrahan'ny ray aman-dreniny ny fifandraisana manokana amin'ny lehilahy – misahirana izy ireo manafina ny finday ary mizaka ny vokany raha sendra tratra. Misy vidiny hatrany moa rehefa manome finday tahaka izany ny lehilahy hananany fahafahana. Amin'ilay lehilahy ihany no hifandraisan'ilay tovovavy ary tsy mahazo mampiasa ilay finday amin'ny antony hafa izy. “Tsy nitsoaka tao amin'ny fonja iray aho mba hiditra amin'ny fonja iray hafa” hoy ny tovovavy iray, manambara ny tsy fahafaliany araka ny lazain'i Hijazi-Omari sy Ribak ao amin'io tahirin-kevitra io. Miketriketrika tetika mihitsy ireo tovovavy hahafahany mampiasa finday, tsy ho hitan'ny olona, sy hananany fahana.

Tsy hisalasalana fa fomba hahafahan'ny tanora ao Middle East miala amin'ny lalam-piaraha-monina/kolotsainy ny fifandraisana amin'ny alalan'ny finday noho izy io mamela azy ireo manana fifandraisana mitokana amin'ny olona. Ohatra hafa :

  • Lahatsoratra ao amin'ny BBC mikasika ny fampiasan'ny tovolahy any UAE ny Bluetooth handefasana hafatra manokana ho an'ny vehivavy any amin'ny toerana mibaribary.
  • Efa nisy lahatsotra teto amin'ny GVO mikasika ny fanadihadiana nataon'i Adnan Gharabiya amin'ny fampiasan'ny tanora Israelianina Bedouin ny IM.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.