- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ezipta: 631 no voatazona ao Mahalla

Sokajy: Ejipta, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Politika, Zon'olombelona

Ibn Al Dunya, avy any Ezipta, no milaza fa mihoatra ny 600 no nosamborina tany Mahalla noho ny fitokonambe tamin'ny 6 avrily teo sy ny fiantraikany. Anisan'ny voasambotra amin'izany ny mpamaham-bolongana, ny mpanao gazety ary ny mpanao politika.