- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Zeorzia:MAP koa

Sokajy: Zeorzia, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifidianana, Politika

TOL Georgia no maneho hevitra tamin'ny nampandamoka ny fireneny tsy neken'ny OTAN ho MAP na Membership Action Plan na Mpikambana Am-Perinasa nandritra ny vovonana natao tao Bucharest. Raha nandray ohatra an'i Albania ny mpamaham-bolongana dia kely ny fanantenany ny hahatafiditra an'i Zeorzia amin'io fikambanana io noho ny fahabangan'ny fandrosoana eo amin'ny fampanjakana ny demokrasia any amin'ny repoblika sovietika taloha.