16 Avrily 2008

Tantara tamin'ny 16 Avrily 2008

Kôngô (RDK) : Lozam-pifamoivoizana an'habakabaka faha-5 ao anatin'ny taona iray monja, saingy ny fidangan'ny vidin-tsakafo no loza tena izy

  16 Avrily 2008

Nambaran'ireo biraom-paritr'ireo Fantsona Fampahalalam-baovao fa tafakatra 75 ny isan'ireo olona maty tamin'ny fianjeran'ny fiaramanidina “cargo” fotoana fohy monja taorian'ny niaingany, tany Goma omaly [Talata 15 Aprily 2008]. Ny fihoarana izay fetran'ny lanjan'ny mpandeha sy ny entany no mety ho anton'izany loza izany. Hatramin'ny volana Jona 2007 dia ity no lozam-pifamoivoizana...

Zimbaboe : Hatraiza ny fahefan'i Mbeki

  16 Avrily 2008

Hope no manoratra ao amin'ny blaogy This is Zimbabwe ny fahakiviany tanteraka tamin'ny fihetsiky Thabo Mbeki filohampirenena Afrikana Tatsimo : Mbeki, after going to Harare to see Mugabe, says today that there is “no crisis”…I cannot believe I am so upset – again – because whenever I know Thabo Mbeki...

Israely : Ny fampiasan'ny tovovavy finday amin'ny fiarahan'olon-droa

  16 Avrily 2008

Milalao Afo : Ny fampiasan'ny tovovavy palestinianina any Israely Finday [ANG – PDF] [Playing With Fire: On the domestication of the mobile phone among Palestinian teenage girls in Israel] no lohatenin'ny tahirin-kevitra iray nosoratan'i Hiyam Hijazi-Omari sy Rivka Ribak. Ny fampiasan'ireo tovovavy any Israely ny finday moa no nanaovan'izy ireo...

Egypta: Aseho masoandro ny tsy fiankinan-dohan'ny vehivavy

  16 Avrily 2008

Fahitalavitra tsy miankina iray mandeha amin'ny satelita ny OTV izay nahasàrika ny sain'ny mpijery maro tamin'ny andro nanombohany, isaorana ny fomba fijeriny malàlaka, ny zavatra arosony sy ny fomba androsoany azy izay samihafa tanteraka amin'ireo fahitalàvitra mikombona sy mitàna ny fomban-dràzana. i Zaman El Wasl (Ar) mpitoraka blaogy egyptiana, milaza...

Ezipta: 631 no voatazona ao Mahalla

  16 Avrily 2008

Ibn Al Dunya, avy any Ezipta, no milaza fa mihoatra ny 600 no nosamborina tany Mahalla noho ny fitokonambe tamin'ny 6 avrily teo sy ny fiantraikany. Anisan'ny voasambotra amin'izany ny mpamaham-bolongana, ny mpanao gazety ary ny mpanao politika.

Bahama: fanompana

  16 Avrily 2008

Ilay vehivavy Bahamiana “nosamborin'ny polisy manao fanamiana nanakana azy hiakanjo tao an-tranony sady notazonina tao amin'ny biraon'ny polisy tao Nassau nandritra ny ora maro vao navela hitafy izy” no nomelohina ho nanao fiteny vetaveta, fihetsika tsy milamina ary namalivaly tamin'ny fisamborana azy: Antsoin'i Womanish ho “fanimbazimbana ny zo mahaolona” izany.

Zeorzia:MAP koa

  16 Avrily 2008

TOL Georgia no maneho hevitra tamin'ny nampandamoka ny fireneny tsy neken'ny OTAN ho MAP na Membership Action Plan na Mpikambana Am-Perinasa nandritra ny vovonana natao tao Bucharest. Raha nandray ohatra an'i Albania ny mpamaham-bolongana dia kely ny fanantenany ny hahatafiditra an'i Zeorzia amin'io fikambanana io noho ny fahabangan'ny fandrosoana eo...

Syria: 60 taona taorian'ny Deir Yasin

  16 Avrily 2008

“Raha miomana hankalaza ny faha-60 taona ny Isiraeliana, ary ny palestianiana kosa feno 60 taona izay ny nakana ny tany taminy, dia tsy maintsy manome voninahitra ireo lavo tao anatin'ny habibiana nitranga nandritra ny fandripahana tao Deir Yasin tamin'ny 9 Avrily 1948 isika,” hoy Rime Allaf, izay nahatsiaro ny faha-60...

Shina: Ny fiantraikan'ny fihetsiketseham-panafahana an'i Tibet

  16 Avrily 2008

Nampangotrangotraka ny fihetseham-pom-pitiavan-tanindrazana shinoa fatratra ny filaharam-panoherana ny shinoa tamin'iny herinandro lasa iny. Hany ka raha nisy zatovovavy mpianatra any etazonia “tratra” nandray anjara tamin'ny fihetsiketseham-panafahana an'i Tibet dia anjatony ny mpiserasera nanompa azy araka izy any an'eritreriny any.