- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Zimbaboe : Governemanta anaty akatan'i Mugabe

Sokajy: Zimbaboe, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifidianana, Politika

Robb Ellis manoratra ao amin'ny blaoginy The bearded Man [Ravolombava] mikasika ny fanapahankevitry Mugabe tsy hanatrika ny fivoriana maikan'ny SADC [1] :

So when Zambian President Mwanawasa called for an emergency meeting of SADC in Lusaka today, Mugabe couldn't be bothered to attend. Instead he is sending his Foreign Minister. (Is he the Foreign Minister? Given that Mugabe is not the President, and his party do not have control of the Parliament – the appointment of Ministers falls to Morgan Tsvangirai – so any attendance by Mugabe's rebel ‘government’ must not be recognised, and therefore, cannot represent that country or her people…)

“Ka rehefa niantso fivoriana maika ny SADC any Lusaka androany, ny filoha Zambiana Mwanawasa, dia tsy nisahirana hanatrika izany i Mugabe. Ka dia ny Minisitry ny Raharaham-bahiny no nalefany. (Izy moa no Ministry ny Raharaham-bahiny ? Satria tsy filoha intsony i Mugabe sady tsy maro an'isa amin'ny Antenimieram-pirenena ny antokony – tsy i Morgan Tsvangirai ve no tokony hanendry ireo Ministra – ka izay mety ho fandraisan'anjaran'ny ‘Governemanta’ anaty akatan'i Mugabe dia tsy tokony hekena, satria sady tsy solontenan'ny firenena no tsy solotenan'ny vahoaka …)”