- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Sary tamin'ny fipoahana baomba

Sokajy: Iràna, Fivavahana

Namoaka sary vitsivitsy [1] tamin'ny (taoriana) fipoahana baomba tao amina moskea [2]  iray tany atsimon'i Iran izay tao an-tanànan'i Shiraz ka nahafatesana olona 8 farafahakeliny i Erfan avy ao amin'io tanàna io ihany. Nilaza moa ny mpamaham-bolongana fa matahotra izy ny hampiseho ny fakantsariny hany ka tamin'ny findainy avokoa no nakany ny sary.