Maraoka:Vaky fonja (Prison Break), amin'ny fomba Marokanina

Ny marainan’ny Talata, voafonja 9 sy nahiahiana ho mpampihorohoro no nandositra ny fonja marokanina iray. Ny mpitoraka blaogy Marokanina dia nampiasa ny kilalaon-teny rehetra sy nindrana ny lohatenin’ilay tantara mitohy mandeha amin’ny fahitalavitra Amerikanina Prison Break mba hilazana ny fahatairan’izy ireo sy ny toa tsy finoany..

Tany Carpe Diem, Manal dia nampitondra lohateny ny hafany hoe “Prison Break amin’ny fomba Marokanina”:

Qu’est ce qui se passe au Maroc, ce matin j’ai lu que 9 terroristes se sont échappés de la prison de Kénitra !! NEUF !!! Aw, comment ça ?
La presse reporte que les prisonniers ont creusé un tunnel et que toutes les dispositions ont été prises pour les retrouver. Pourquoi ces dispositions n’ont pas été prises pour les empêcher d’échapper ??
Comment de nos jours, des prisonniers peuvent creuser un tunnel et s’évader ? ça me paraît vraiment surréaliste, alors je vous prie d’éclairer ma lanterne, ceux d’entre vous qui sont fans de Prison Break pourraient me donner des explications !!!
Ceci dit, il y’a beaucoup de choses à déduire de cet épisode !!! Je me rappelle quand j’étais interne à l’hôpital provincial de Kénitra, qu’on recevait des détenus quand ils tombaient malades, je garde encore l’image du convoi qui les accompagnait, 50 flics pour un prisonnier !
Alors comment, 9 prisonniers ont pu creuser un tunnel à l’intérieur de la prison et ont pris la fuite !!! Ce n’est pas un poisson d’Avril par hasard ?

Inona no hitranga eto Maroc, namaky aho io maraina io fa mpampihorohoro 9 no nitsoaka ny fonja tao Kenitra!! SIVY!!! Ndao ary, ahoana no fitrangany ?
Ny mpampahalala vaovao nilaza fa nandavaka lalana ambanin’ny tany ireo gadra ary vita kajy maty paika ny fomba hahitana azy ireo. Fa naninona no tsy nampiharina izany fomba izany mba hanakanana azy ireo tsy handositra?
Ahoana no hahafahan’ny gadra, amin’izao andro sy taona izao, handavaka lalana ambanin’ny tany sy handositra ? Sahala amin’ny zavatra tsy tokony hisy izany amiko, koa miangavy aho mba ampio, ianareo mpitia sy mpanaraka ny Prison Break mety ho afaka manome fanazavana ahy betsaka kokoa!!!
Izay no ela, fa zavatra maro be no azo tsoahina avy amin’iny zava-nitranga iny!!! Tsaroako fony izaho mpiana-draharaha teny amin’ny hopitalim-paritra tao Kenitra ka nandray voafonja narary, tadidiko foana ny sarin’ireo mpanara-dia azy ireo, mpitandro filaminana 50 ho an’ny gadra iray!
Koa ahoana no gadra 9 afaka handavaka lalana ambanin’ny tany ao anaty fonja ary any dia tsy hita!!! Sanatriavina tsy toy ny sangy ratsin’ny Poisson d'avril, sa tsy izany?

Ao anatin’ny hafany hoe “Kenitra Break!” dia hoy Jamal Hafsi:

Difficile à imaginer ! Pourtant ils l’ont fait !… Vous aurez compris qu’il s’agit là des neuf takfiristes qui à l’aube de ce lundi ont faussé compagnie à leurs anges gardiens en réussissant leur évasion de la prison de Kenitra.
Une évasion qui, comme on doit se douter, a mis en alerte l’ensemble des services de sécurité du pays. A raison d’ailleurs ! Parce que laisser longtemps pavaner, dans la nature, des évadés de cet acabit n’est pour ainsi dire pas indiqué…
Je ne sais pas si c’est Michael Scofield, le héros de la série Prison Break, qui les a inspiré mais en tous les cas le coup qu’ils ont réussi ressemble beaucoup à ces évasions qui ne sont possibles qu’au cinéma. Et en fait de cinéma je commence à avoir quelque propension à penser que cette prison de Kenitra ressemble plus, depuis quelque temps, à un studio de tournage pour films d’évasion qu’à une prison.
La comparaison est évidement un tantinet osée, mais il est tout de même bizarre, et c’est le moins qu’on puisse dire, que neuf détenus, condamnés à de très lourdes de peines, qui plus est en rapport avec le terrorisme, aient réussi à prendre la tangente avec une facilité aussi insolente. Neuf d’un seul coup, ça en fait un peu trop quand même !

Sarotra inoana! Nefa dia vitan-dry zareo!… Mino aho fa takatrao hoe miresaka momba ireo takrifists sivy nisaraka tamin’ny anjely mpiambina azy tamin’ny maraina vao mangiran-dratsin’ny Alatsinainy aho, ary tafitan’izy ireo soa amantsara ny fandosirany ny fonjan’i Kenitra.
Fandosirana iray, izay tsy maintsy hahatonga ao an-tsain’ny tsirairay fa, tsy hahatafandry mandry ny mpisahana resa-pilaminana rehetra manerana ny firenena. Ary misy antony izany! Satria ny famelana mpamerin-keloka tafatsoaka ny vala toy ireny hiriaria any anaty voary any dia tsy tokony hatao loatra …
Tsy haiko na hoe i Michael Scofield, mpilalao fototry ny tantara mitohy amin’ny fahitalavitra ‘Prison Break’, no namelom-paniriana tao anatin-dry zareo, saingy na toy inona na toy inona dia mitovy fotsiny izao amin’ireny fandosirana fahita anaty sarimihetsika ireny ny zavatra nataon’izy ireo.. Efa miresaka sarimihetsika ihany, toa manomboka mino aho fa io fonjan’i Kenitra io dia ho lasa toeram-pamokarana ireny horonan-tsarimihetsika mitantara fandosirana ireny ao aoriana kely ao.
Somary sahisahy ihany ilay fampitahana, nefa mampivanaka ihany, ary izay kely indrindra azonao lazaina mikasika ny hoe voafonja 9, nomena sazy henjana, fara-tampony mahakasika fampihorohoroana, afaka niporitsaka tamin’ny fomba tsotra nefa mahamenatra toy izany. Sivy indray miaraka, tena efa tafahoatra kosa e!

Raha mila fanampim-panazavana, misy hatramin’ny mikasika ireo fandosirana ity fonja ity tany aloha, tsidiho ny blaogy amin’ny teny anglisy nosoratan’i Adilski:

Taloha efa ela teo amin’ny tantaran’ny fonja Marokanina, voafonja roa karazana no afaka nandositra— ny mpikambana tao amin’ny Al Qadea sy ny mpanondrana zava-mahadomelina. Ny itovian’izy roa ireo dia izy roa samy ao anatin’ny faribolan’ny mpanankarena. Mora azon’ny fanerena ireo mpiambina fonja satria tsy hoe kely karama fotsiny izy ireo, fa koa miasa anaty tontolo feno kolikoly izay ny vola sy ny tsolotra no tompon’ny laka. Izany no fombam-piainan’ny fonja aty Maraoka, moa va tsy toy ireny any amin’ny fonjan’ny tany mandroso ireny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.