- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Egypta:Mpitoraka blaogy miatrika vava-ady

Sokajy: Ejipta, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Sendikà, Teknolojia, Toekarena sy Fandraharahàna, Vaovao Mafana, Voina, Vonjy Voina, Zon'olombelona

Nihazakazaka niaraka tamin’ny famantaranora (famantaranandro) ny mpitoraka blaogy Egyptiana [1] nampita ho an’izao tontolo izao ny fitroatr’ireo mpiasa izay niantraika tamin’ny firenena manontolo, toy ireo an’arivony nitangorona nanoloana ny Al Mahalla orinasa fanenonan-damba, nangataka ny hanamboarana ny karamany ho tsaratsara kokoa sady nanohitra ny fisondrotry ny vidim-piainana. Isan’ny voalohany koa niaraka tamin’ireo nizaka ny vokatry ny fisamborana izy ireo, nitarika fahafatesana olona roa, isa nahatohina ary mpanao fihetsiketsehana tsy tambo isaina, mpikarakara sy olon-tsotra maro no tany ambadiky ny fefy vy. Ny fivoizan’izy ireo dia tamin’ny endrika bloagy, raki-tsary YouTube, fahana Twitter, Flickr shots, hafatra amin’ny alalan’ny Facebook sy fitaovana maro samihafa sendra ny tanany ka mampiasa ny tranonkalam-pifandraisana.

Ny 6 aprily [2] dia azo nadika ho andron’ny fanoheran’ny sivily (fandavana) , natao hanaovana fitokonana faobe, ka samy hijanona any an-tranony daholo ny olona amin’io andro [3] io. Nandrahona ny tsy hitsitsy ny mpanao fihetsiketsehana ny governemanta, ary nampitandrina sy niantso ny daholobe tsy hanoina ny antso. Rava noho izany ny famoriam-bahoaka ary iny andro iny dia niafara tamin’ny fifandonana teo amin’ny mpiasa sy ny mpitandro filaminana tao amin’ny distikan’i Mahalla, fon’ny indostrian’ny lamba eto Egypta.

free-esraa1.jpg [4]Ny mpitoraka blaogy Malek Mustafa [5] no voasambotra voalohany, nolazaina fa nizara taratasy, nandritry ny andron’ny fifandonana. Efa navotsotra aloha i Malek hatreto, nefa kosa mbola maro ireo mpitoraka blaogy any ambadiky ny fefy vy, eo ampiandrasana izay ho fanenjehana, miaraka amin’ireo gadra maro be tsy voatanisa. Isan’izy ireo i Esraa Abdul Fattah, tovovavy Egyptiana, isan’ny vy nahitana ny 6 aprily – Androm-pahatezeran’ny vondrona Facebook [6] izay fitaovana nanely ny feo momba ny hetsika. Lehibe noho izay, nahavory mpikambana miisa 68. 000 ity vondrona ity. Ny mpitoraka blaogy Sharkawy [7] sy Karim Al Bihairi koa dia henoheno fa hoe voasambotra.

Ny blaogin’I Tadamon Masr [8] (Ar) nilaza ny fisamborana an’i Bihairi:

قبض على كريم البحيري، أحد العاملين بشركة غزل المحلة وصاحب مدونة عمال مصر، وأخذ إلى مكان مجهول واعتدي عليه بالضرب وتم صعقه بالكهرباء. وسئل عن كافة أرقام التليفونات التي كانت مسجلة في موبايله. مصدر هذه المعلومات هو كريم نفسه حيث تقابل مع بعض محامي “جبهة الدفاع عن متظاهري مصر” وروى لهم ما حدث له

Karim Al Bihairi, avy amin’ny Egypt Labour Blog, miasa ao Mahalla dia voasambotra ary nentina amin’ny toerana tsy fantatra, navelesina sy nodorana tamin’ny herinaratra izy tany. Nangataham-panazavana ihany koa izy momba ireo laharana fiantso marobe hita tao anatin’ny findainy. Ny loharanon’ireo vaovao rehetra ireo dia tsy hafa fa i Karim tenany ihany, raha nihaona tamin’ireo mpisolo vava nalefan’ny vondrona mifanome tanana mba hiaro ny zon’ireo Egyptiana mpanohitra ka nitantarany ny zava-nanjo azy.

Fomba fivoy hafakely [9] kosa no nanehoan’ny mpitoraka blaogy Hossam El Hamalawy [10] ny korontana sy ny zava-mitatao amin’ny fiarovana ireo mpitoraka blaogy, ao anatin’ny antsipirihan’ny [11]fahany, izay miova mivoatra [12] araka ny toe-draharaha sy mitanisa ny vokatry ny hetsika, arahina sary. Maro ireo sary azo jerana eto [13] sy eto [14].

Misy laharana manokana ihany koa natao hahafahan’ny rehetra mitatitra ny fomba fijeriny ny korontana ho ao anatin’na blaogy iraisana antsoina hoe 6 Aprily 08 [15] (Ar) izay maneho amin’ny antsipirihany ireo telo andro nisian’ny sahotaka. Misy vondrona mpisolovava [16] maromaro mifanome tanana koa natsangana hiaro ireo voasambotra ary ny blaogy dia nandefa izao antso avo izao:

توجه جبهة الدفاع عن معتقلي يوم الإضراب نداء لكل المحامين المهتمين بالحريات للتطوع و المشاركة .

Ny vondrona mifanome tanana miaro ireo nosamborina taorian’ny fifandonana dia miantso ireo mpisolovava rehetra mandala ny zon’olombelona sy ny fahalalahana mba hiasa an-tsitrapo sy hanampy.

James Buck amerikanina mpaka sary fanao an-gazety, ao Cairo, dia nandefa hafatra fohy [17] toy izao :

An-jatony no mbola tsy hita hoe lasa aiza ao Mahalla ; miantso fanampiana fiarovana ny zon’olombelona ireo fianakaviana

Ato anatin’ny herinandro vitsivitsy dia tabataba maro no mbola ahiana raha ny fahitana ireo mpanohana anaty tranonkala, ampian’ireo valalabemandry eny an-tany fiadiana, manomana fifanatrehana hafa indray amin’ireo tompom-pahefana. Misy Facebook Group [18] iray vaovao manentana ny rehetra hanao hetsika iray lehibe ny 4 May, izay mifanandrify indrindra amin’ny fitsingerenan’ny nahaterahan’ny filoha egyptiana Hosni Mubarak

sary: May 4 Strike Facebook Group [19]

Tatitra hafa momba ny hetsika:
Egypt: A wake up strike [3]
Egypt Gears Up for a General Strike Sunday [2]