- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Afghanistan : Atrikasa voalohany amin'ny fitorahana blaogy tao Kabul

Sokajy: Afganistana, Fahalalahàna miteny, Fanabeazana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Teknolojia

Nahatontosa ny atrikasa voalohany teo amin'ny tantaran'izy ireo ny Fikambanan'ny Mpitoraka Blaogy ao Afghanistan [1] [Afghan Association of Blog Writers [1]] (Afghan Penlog) rehefa nisedra tsy fahampian'ny vola sy ny herin'aratra. Tamin'ny 3-4 Aprily no natao tao Kabul io atrikasa io niaraka tamin'i Nasim Fekrat [2] sy Masoumeh Ebrahim [3] [Fa], mpitoraka blaogy mavitrika avy any Afghanistan.

[4]

Mpanao gazety, mpampianatra ary mpanoratra 12 no nianatra ny fitorahana blaogy an-tsoratra, amin'ny horonan-tsary, an-tsary sy ny fomba maromaro toy ny fampiasana fahana RSS.

Blaogy maro amin'ny teny Dari, Pashtou ary Anglisy no nisokatra rehefa vita ny atrikasa.

“Naharay fanontaniana betsaka avy amin'ny mpianatra ao amin'ny Oniverite ao Kabul sy mpanao gazety izay mikasa hianatra mitoraka blaogy aho, fa mbola sakana lehibe ny tsy fahampian'ny vola.” hoy i Fekrat. Efa mieritreritra hanao atrikasa hafa moa i Fekrat fa mbola betsaka no hifampizarana sy ampianarina.

[4]

Izao no nolazain [5]‘i Nasim Fekrat [Fa] :

This experience has been very useful. I learned a lot. Most of the people who participated in this workshop were journalists, academics, writers and others who can help revitalize our culture and intellect in Afghanistan's bored society. Organizing such a workshop has been one of my goals for a long time. Finally, thanks to Geomap and Masoumeh Ebrahimi it became a reality.

Tena nilaina mihitsy ity traikefa ity. Nianatra zavatra betsaka aho. Mpanao gazety, mpanoratra, mpampianatra ary olona hafa afaka mampivoatra ny kolotsaina sy ny saina ao amin'ny fiarahamonina ao Afgahnistan no betsaka tamin'ny mpandray anjara tamin'ity atrikasa ity. Tanjona efa nokatsahiko hatry ny ela ny fikarakarana atrikasa toy izao. Noho ny fanampiani Geomap sy Masoumeh Ebrahim dia tanteraka ihany izany nony farany.

[4]

Misy sary sy tatitra hafa ao amin'ny Civil Movement of Afghanistan [4].

Ny fampiasana ny aterineto hampandrosoana ny fahafahana maneho hevitra sy ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety no resahin [6]‘i Manzarra, nianatra nitoraka blaogy tamin'io atrikasa io.

Zarain [7]‘i Mokhtar Pedram [Fa], mpanao gazety, amintsika kosa ny traikefany :

I was scared to come to the world of internet and blogging… Maybe it was a technical barrier. But this one and half day workshop changed my perception… It wouldn't be true to say that all my problems with the internet were solved in these two days, but I did decide to start my blog, which proves just how effective this workshop has been.

Natahotra ihany aho ny hiditra amin'ny tontolon'ny fitorahana blaogy amin'ny aterineto. Angamba olana tamin'ny lafiny teknika. Fa nanova ny fijeriko ity atrikasa nandritra ny iray andro sy tapany ity … Tsy afaka hiteny aho hoe voavahan'izay roa andro izay daholo ny olako amin'ny aterineto, fa nanapa-kevitra aho hanokatra blaogy, izay no manaporofo ny fahombiazan'ity atrikasa ity.

Zava-baovao ao Afghanistan ny fitorahana blaogy, hoy [8] i Safeh [Fa], ary izay ny mpampianatra vao nianatra izany.

Ny atrikasa toy izao, hoy [9] i Zartosht [Fa] angamba no dingana lehibe indrindra amin'ny fanaovan-gazety ao Afghanistan.