- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Zimbaboe : Vavolombelona nanatri-maso

Sokajy: Zimbaboe, Fifidianana, Politika

This is Zimbabwe no manapariaka ny tantaran'ity vavolombelona iray izay nanatri-maso ny fizotry ny fifidianana [1] tany Zimbaboe :

I travelled up to Zimbabwe on Tuesday the 25th March to help the MDC Tsvangirai faction with election preparations. I volunteered to help three candidates , Joseph Mutsvanga from Zvimba East, Knox Danda from Zimbabwe West and Edward Musumbu from Norton.(For those who don’t know, Zvimba is +/- 80 kilometers from Harare and is the area where Robert Mugabe was born) […]

Knox Danda was unable to attend our final planning meeting on the Friday morning: he had been placed under house arrest by Nelson Samkange -the ZANU PF candidate. (Samkange was the former governor for Mashonaland West) […]

Knox sent three of his polling agents to attend our planning meeting in his absence. All had been beaten by Samkange’s thugs at the rally on the 13th. Once again the police had not yet been able to respond to the reports of assaults.

“Nizotra ho any Zimbaboe aho ny Talata 25 Martsa 2008 mba hanampy ny fiakarakarana nataon'ny antoko [mpanohitra] MDC Tsvangirai [Movement for Democratic Change | Hetsika hoan'ny fiovana Demôkratika]. Antsitram-po no nilatsahako hanampy kandidà telo : Joseph Mutsvanga any amin'ny Zvimba Atsinanana, Knox Danda avy amin'ny Zimbabwe Andrefana ary Edward Musumbu avy any Norton. (Hoan'ireo izay tsy mahafantatra, Zvimba izay +/- 80 km avy ao [an-drenivohitra] Harare no toeram-piaviana sady nahaterhan'ny [filoha am-perin'asa] Robert Mugabe) […]

Tsy afaka nanatrika ny fivoriana fanomanana farany izay nokasainay ny Zoma maraina ny kandidà Knox Danda, satria namoahan'i Nelson Samkange izay kandidan'ny antoko [amin'ny fitondrana] Zanu PF [Zimbabwe African National Union – Patriotic Front] fandraràna famerana tsy hivoaka ny faritry ny tranony izy (Samkange no governora talohan'ny Mashonaland Andrefana) […]”

Nandefa olona mpanaramaso ny fifidianana telo hanatri-maso izay fivoriana fanomanana izany i Knox hisolontena azy. Samy voadarok'ireo jiolahim-botob'i Samkange tamin'ny hetsika niseho ny faha-13-n'ny volana izy ireo. Tamin'ity indray mitoraka ity koa dia tsy manana tatitra mikasika ireo izay nanatanteraka izany fanafihana izany ireo mpitandro ny filaminana.”