- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Zimbaboe : Valiny feno hoan'ny fifidianana loholona

Sokajy: Zimbaboe, Fifidianana, Politika

This is Zimbabwe no mampita ny valiny feno mikasika ny fifidianana loholona [1] izay navoaky ny ZEC izay Sampandraharaha fanaraha-maso ny fifidianana any Zimbaboe [Zimbabwe Electoral Commission] :

The final count, for those 60, is as follows: Zanu PF has 30 seats, the MDC MT has 24 seats and the MDC has 6 seats.

“Ny valin'ny fanisana farany, hoan'ireo toerana 60 ireo [dia mitsinjara ho toy izao], 30 an'ny Zanu PF [Zimbabwe African National Union – Patriotic Front, antoko teo amin'ny fitondrana], 24 an'ny antoko mpanohitra MDC Tsvangirai ary 6 hoan'ny MDC Mutambara [Movement for Democratic Change | Hetsika hoan'ny fiovana Demôkratika].”