Jordana: Inona no famakin'ny zanatsika?

“Inona no famakin'ny zanatsika ?” hoy Batir Wardam jordaniana (Ar) manontany, nanoloana ny fangatahan'ity zazavavy iray naniry hividy bokin'ankizy tao amin'ny toeram-pivarotam-boky iray kanefa nodian-dreniny fanina fotsiny.
Nandritry ny naha tao amina toeram-pivarotamboky iray azy no nandrenesan’ i Wardam ny resaky ny zazavavy iray sy ny reniny:

قبل فترة وبينما كنت أشتري مجموعة من المجلات في مكتبة – أعرف أن هذا غريب ولكن لا يزال هناك بعض الناس يمارس خطيئة القراءة في الأردن – سمعت طفلة صغيرة وهي تناشد أمها التي كانت مهتمة بتصفح مجلات الأزياء وتطلب منها شراء مجلة للأطفال.

الأم لم تكن معنية كثيرا وقالت للطفلة بأن المجلة أكبر من عمرها وهي لا تستطيع القراءة. ولكن في الحقيقة فإن المجلة التي تطلبها الطفلة كانت مخصصة للتسالي وحلول الألغاز التي تنمي الذكاء ولا تحتاج لمهارات قراءة عالية وبإمكان الطفلة وهي في الصف الأول أو الثاني أن تقرأها بسهولة.

Raha nividy gazetiboky vitsivitsy tamina toeram-pivarotam-boky iray aho – zendana nahatsikaritra fa tena mbola misy foana olona manana fiheverana diso momba ny vaky boky aty Jordania aty – reko tsy nahy ity zazavavy iray niangavy an-dreniny mba hividy ireny boky famakin'ny ankizy ireny, ny reniny izay sondriana ery mifantina ireny gazetiboky miresaka endrika amam-bika ireny. Tsy rototra loatra ilay renim-pianakaviana namaly azy fa boky natao ho an'ny ankizy efa somary lehibebe kokoa ireny ka tsy tokony hovakiany akory. Ny zava-nisy anefa, boky misy ireny sarisary nasavoritaka ka haverina hilamina (piozila), sy irony fitadiavana ny lalan-kizorana (énigmes) irony no nirian'ity zazavavy ho azo, izay tsy nilana saina maranitra toy inona, ary mora azon'ireo zaza any amin'ny fanabeazana fototra vakiana tsara..

Taitra ilay maha mpanao gazety tao anatin'i Wardam ary dia niditra an-tsehatra nanohana ny fangatahan'ity zazavavy ity tamin'ny reniny izy.

قررت أن اتدخل في الموقف لصالح الطفلة وتطفلت على هذا الحديث وقلت للأم بأن المجلة سهلة لأنني اشتريها لإبنتي ويمكن لطفلتها أن تقرأها. لاحظت أن الأم شعرت ببعض الضيق بينما كانت الطفلة سعيدة بهذا التدخل الخارجي الذي دعم وجهة نظرها ، فقامت المرأة بإضافة مجلة الطفلة إلى سلسلة المجلات الهادفة التي قامت بشرائها وربما كانت قد شتمتني ولم يعجبها تدخلي ولكنني كنت سعيدا بأنني ساهمت في تحقيق هدف شرعي ومطلوب للطفلة.

لا تعرف الأم على ما يبدو الميزة التي بين يديها فطفلتها تحب القراءة وهي بحاجة إلى تشجيع وهذه الخصائص غير موجودة في معظم الأطفال الذين يتجهون الآن إلى التلفزيون والفيديو والكمبيوتر للتسلية والإطلاع على ما هو غير مفيد ابدا في معظم الأحيان.

Nanapa-kevitra ny hiditra an-tsehatra tamin'ilay resaka aho nony nahita ny fihetsik'ilay zazavavy. Nolazaiko an'ilay reniny fa boky tsotra fividiko ho an-janako io ary azon-janany vakiana ihany koa. Hitako ho sorena ihany ilay ramatoa, raha faly kosa ilay zazavavy noho ity fitsofohan'ny hafa nanohana ny fijeriny ity. Dia narotsak'ilay renim-pianakaviana nanampy ireo ilainy hovidiana efa tao anaty harona ilay boky avy eo. Mety ho nanompa ahy an'eritreritra angamba izy noho ny fitsabatsabahako, nefa kosa faly aho afaka nanampy ilay zazavavy hahatanteraka ny fangatahany izay ara-drariny loatra.

Toa tsy dia nahatsapa loatra ny pitsopitsony momba ny zavatra teny an-tanany ilay renim-pianakaviana – tia vaky boky ny zanany ary mila fandrisihana. Tsy maro ny zaza liana toy izany fa ny fahitalavitra, tahirin-tsary sy solosaina no misarika ny sain'izy ireny sy ataony ho fialamboly ary fitrandrahana zava-baovao izay tsy mitondra voka-tsoa ho azy ireo amin'ny ankabopeny.
Mampalahelo an'i Wardam ny toerana misy ny ankizy Arabo izay mankahala vaky boky, manazava amintsika koa izy ny fomba nataony mba hitiavan-janany vavy ny boky hatrany amin'ny fahazazany:

الكثير من الأطفال الذين أعرفهم في هذه السنوات (5 – 10) غير مهتمين أبدا بالقراءة وهذه هي سنوات تكوين الشخصية وهي السبب الرئيسي وراء عدم قدرتهم على عشق المطالعة وأحيانا مواجهة المشاكل في الدراسة. بما أنني شخص كنت دائما معروفا بأنني دودة كتب فقد حاولت أن أنقل لإبنتي بعضا من هذه الخصائص التي تجعلها تحب القراءة والمطالعة. يوميا هناك جلسة قراءة لمدة نصف ساعة وهناك دائما شراء لمجلات وقصص مصورة والتكوين التدريجي لمكتبة صغيرة في غرفتها مع تعلم احترام الكتب وتقديرها.

ومع أنه من المستحيل تقريبا مواجهة طغيان التلفاز والفيديو والكمبيوتر فإنه من الضروري إبقاء مكان للقراءة.

Ankizy maro fantatro eo amin'ny dimy ka hatramin'ny 10 taona eo no tsy tia mihitsy mamaky boky. Taona fanomana ny maha izy azy ireo izao ary ny tsy famakiana boky dia mety hiteraka olana ho azy ireny any an-tsekoly any. Ary satria malaza ho mpiondana boky aho, dia niezaka mafy aho ny hampita izany fitiavana boky sy fianarana izany tamin-janako vavy. Antsasak'adiny isan'andro no iarahako mamaky boky aminy, ary izaho no mividy ny gazetiboky sy ireny bokin'ankizy ireny ho azy. Niandalana, nanana ny tahirim-bokiny azy manokana ao an'efitranony izy taty aoriana ary mianatra ny mikajy sy mankafy azy ireny.

Ny ankizy, hoy Wardam, dia efa manana ny faharanitan-tsainy voajanahary ary tokony harahi-maso akaiky mba hampiasa ireo selan'ny atidohany ho amin'ny zavatra mahasoa sy ho amin'ny famoronana

الأطفال اذكياء بشكل خاص وإبنتي بدأت تستغل هذه الأمور لمصلحتها فهي تظهر اهتمامها بالقراءة في الوقت الذي يجب أن تكون فيه مهيئة للنوم ولكن لا توجد مشكلة في تأخير نصف ساعة طالما يمكن لهذه الطقوس أن تغرس عادة القراءة منذ الصغر. وفي الواقع فإن هناك تطورا كبيرا ومثيرا في طبيعة المطبوعات الخاصة بالأطفال وهي تقدم معرفة ممتازة أفضل بكثير من برامج التلفاز التجارية والمسلسلات المبنية على قصص الحزن وفقدان أفراد الأسرة بالنسبة للفتيات والضرب والصراع بالنسبة للأولاد. وأذكر أنه في معرض عمان للكتاب قضيت وقتا في زوايا كتب الأطفال أكثر من كتب الكبار وأعجبتني كثيرا المنشورات السورية واللبنانية بالذات والتي تتميز بطباعة فاخرة ومعرفة مهمة.

Tena manana faharanitan-tsaina manokana tokoa ny ankizy, ary ankehitriny ny zanako vavy dia isan'ny mampiasa izany ho amin'ny tombontsoany, na dia efa fotoana tokony hiomanany hatory aza dia mbola hita fa liana amin'ny vaky boky foana izy. Tsy dia olana amiko loatra anefa ny antsasak'adiny mihoatra ijanonany eo, raha toa ka izay no ho solika fitaiza ny fitiavana mamaky boky ao anatiny. Iaraha-mahita, nivoatra be tokoa ny resaka fanontana boky ho an'ny ankizy madinika, manome azy ireo fahalalana tsara noho ny tolotra ara-barotra omen'ny fahitalavitra izay mamoky fotsiny ny zazavavy amin'ny tantara mampalahelo sy ny famoizana havana ary ny zazalahy amin'ny hoe ahoana no fomba fiady sy ny handresena ny mpifanandrina. Tsaroako koa ny fotoana betsaka niarahako tamin'ny antokon'ankizy madinika tany amin'ny Foaran'ny boky tao Amman raha oharina amin'ireo sehatra hafa, ary tena nahaliana ahy tokoa ny boky Siriana sy ny Libaney, indrindra fa ny kalitaon'ny fanontana azy sy ny lanjan'ny hevitra entiny.

Ny fitiavana vaky boky sy ny fanabeazana, hoy Wardam mamehy azy, no lalan-tokana hiarovana ny hoavin'ny ankizy. Hoy indrindra izy:

المسألة إذن هي في تعويد الطفل على أهمية القراءة في جو منزلي يهتم بالمطالعة ويحترم الكتب ولا يوجد أبدا نقص في المطبوعات الخاصة للأطفال ، وان كانت العائلات الفقيرة تجد صعوبة في شراء الكتب الجيدة غالية الثمن فإن هذا يحتم ضرورة وجود مكتبات ومراكز تعليمية للأطفال في المحافظات والقرى والمناطق الأقل حظا في المدن لتسهيل حصول الأطفال في هذه المناطق على الكتب وتعلم القراءة خاصة وأن التعليم يبقى السلاح الأساسي للطبقات الفقيرة والمتوسطة في صراعها المستمر للحصول على حقوقها في هذا المجتمع ، والطفل الذي يحب القراءة منذ الصغر يستمر في هذه المزايا دائما ويتمكن من إبقاء مكان للكتاب والمجلة في حياته بالرغم من غزو الإنترنت والتلفزيون والهواتف الخلوي

Ny zava-dehibe dia ny manazatra ny ankizy hamaky boky anaty tontolo tokantrano tia mandalina sy manaja boky. Tsy lany laniana ny boky tsara ho an'ankizy ary raha misy amin'ireo fianakaviana sahirana no mahita olana amin'ny fividianana boky lafo vidy, tokony ho laharam-pahamehan'ny mpitantana ny amin'izany, ny tanana sy faritra tsy dia manam-bintana noho ny tanan-dehibe mba hanana toerana famakiam-boky sy toeram-pampianarana ho an'ny ankizy. Fomba hahafahan'ireo ankizy madinika mba mahita boky hovakiana izany ary koa hianarany mamaky teny, indrindra fa raha ny fianarana no mba hany fitaovan'ny mahantra sy ny sokajy antonony amin'ny ady maharitra ataony hahazoany ny zony eo anivon'ny fiaraha-monina. Ny zaza iray tia vaky boky hatramin'ny fahazazany dia hitohy hizotra amin'ny lalam-piainana nofinidiny ary afaka foana hnome toerana ho an'ny boky sy ny gazetiboky eo amin'ny fiainany – na dia manao be fiavy aza ny aterineto, fahitalavitra sy ny finday.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.