- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Liban, Mivarotra Rivotra

Sokajy: Libanona, Hehy, Hevitra, Toekarena sy Fandraharahàna, Zavakanto & Kolontsaina

Misy tranga iray ity mety (na tsia) mampiseho izay mety hampiasan'ny Libaney ny talentany amin'ny hevitra tsy dia mahazatra hahazoana vola sy hampisehoana ny “fitiavan-tanindrazana”. Ramatoa Rasha Najjar no nahita ny hevitra hoe angonina amin'ny tavoahangy ny rivotra ary alefa any ivelany. Novokarina ary ny “rivotra avy any Liban” voatahiry ao anaty tavoahangy ary nalefa tany ivelany hamidry amin'ireo zanaka ampielezana Libaney. Haingana dia haingana ireo mpitoraka blaogy ao amin'ny Stuff Lebanese People Like sy Ramblings of a Lebanese Hopeful nitantara ity hadalana ity.

Nampiseho horonan-tsary misy dokambarotry ny tavoahangy vy “Hawa Lebnan” [Rivotra Libaney] i Tri-Klop [1], ary nanoratra hoe :

Lebanese like to buy and sell everything. Lebanese like to believe they are connected to the ancient sea-faring Phoenician tradesmen. So in addition to their major passtime – eating air (pun intended for those who speak Lebanese), Lebanese also like to sell air. Lebanese have succeeded in putting Lebanese air – Hawa Lebnan – in cans and exporting them. The can has the stamp of the Lebanese Ministry of Economy and Trade.

Tia mividy sy mivarotra izao rehetra izao ny Libaney. Mino izy ireo fa mifandray amin'ireo mpivarotra Poenician nonina an-dranomasina taloha. Noho izany, ankoatra ny fialam-boliny – mihinana rivotra (sarin-teny natao ho an'ireo miteny Libaney), dia tia mivarotra rivotra koa ny Libaney. Nahomby ny fanangonana rivotra Libaney – Hawa Lebnan – tamin'ny tavoahangy sy ny fanondranana azy. Misy ny fitomboky ny Ministeran'ny Toekarena sy ny Varotra ao Liban moa ny tavoahangy.

Etsy andanin'izany, nanoratra i Antoun [2] fa manana talenta sy sahy mampiasa vola tahaka ny olona hafa ihany ny Libaney :

An eBay saavy friend of mine once told me that the Chinese are willing to sell anything on eBay, “even their mothers”, if the price is right.

My response to that is that the Lebanese are just as industrious and entrepreneurial in this regard as any other people. The difference between the Chinese and the Lebanese, however, is that the Chinese will actually follow through with the sale, or at least, you'll get what you paid for. The Lebanese merchant, on the other hand, will try every trick in the book to outbid, outsmart, outwit and outdo the customer such that he comes up on top and still manages to convince the customer of the great bargain he has made.

Case in point: Canned Lebanese Air, or Hawa Lebnan. Rasha Najjar, the kooky lady that came up with the idea, asserts that this is not a marketing ploy, but rather a very nationalist initiative.

Misy namako iray ao amin'ny eBay nilaza fa te hivarotra ny zavatra rehetra ao amin'ny eBay ny sinoa, “na ny reniny aza” raha mety ny vidiiny.

Ny azoko avaly izao dia manana talenta ary sahy mampiasa vola toy ny olona rehetra ny Libaney. Ny tsy hitovian'ny Sinoa sy ny Libaney kosa dia ny sinoa manaraka ny varotra ataony, na farafaharatsiny hovoarainao ny entana nandoavanao vola. Ny Libaney kosa dia hanandrana ny hevitra rehetra hanambatambazany ny mpividy, hangalany vola betsaka amin'izy ireo, nefa mbola ho afaka mandresy lahatra azy ihany amin'ny ady varotra nataony.

Ohatra mivaingana : Ny rivotra Libaney atao anaty tavoahangy. Milaza i Rasha Najja, ilay vehivavy toy ny adala nahita io hevitra io fa tsy fitadiavam-bola io fa fitiavan-tanindrazana.