- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Isiraely : Orinasa isiraeliana mivoatra endrikendrehina fa mangala-bato any Zimbabwe

Sokajy: Israely, Zimbaboe, Fifidianana, Teknolojia

Tamin’ny Zoma 28 marsa dia nisy gazetinkala antsoina hoe “Zimbabwe Online” (Zimbaboe eo ampifandraisana) namoaka lahatsoratra [1]namoaka lahatsoratra miampanga ny Cogniview [2], orinasa an-dalam-pivoarana Israeliana, ho manampy an’i Robert Mugabe hangala-bato. Nolazain’i Tendai Biti, sekretera jeneralin’ny Antoko Hetsika ho amin’ny Fiovana Demokratika (MDC) tamin’ny mpanao gazety tao Harare fa nanampy ara-teknika ny Cogniview ary ‘mikasa ny hangalabato amin’ny alalan’ny rindrambaiko be angesony (sarotra be) natolotry ny orinasa manam-pifandraisana amin’ny Mossad (sampam-pitsikilovana Isiraeliana) ry Mugabe sy ny tariny.”

Nisy valinkafatra lavabe nivoaka ary tao amin’ny bolongan’ny Cogniview, miampanga ny tantara ho lainga mahamenatra loatra, ary novisavisainy tao ny mety ho nahatonga ny mpanova ho PDF ho tafiditra amin’ity raharaha-pifidianana any Zimbaboe ity. Ireo ambany ireo ny sombin-dahatsoratra roa avy amin’ny valinkafatry Yoav Ezer, Avy amin'ny mpampiditra rindra(-mbaiko) ho an'ny Saribakolin'ny Tompony: Ahoana ny tsy ahafahako mangala-batom-pifidianana amin'ny alalan'ny mpanova PDF [3]:

The article continues to claim that my company has secret ties to the Israeli Mossad, and that the accusations came directly from the General Secretary of the MDC, Zimbabwe’s largest opposition party.

Before I go on with the details of the story, here’s my official response … this story is NOT TRUE. In fact it could have only been more fictional if we were accused of using alien technology. Here are some more facts:

* We have no ties with Robert Mugabe’s party. We have never met or dealt in any way with him or any of his people.
* We have no connections to the Israeli Mossad.
* No Cogniview employee has ever been to Zimbabwe.

Tohizan’ny lahatsoratra fa manana fifandraisana miafina amin’ny Mossad Isiraeliana ny orinasako, ary avy amin’ny Sekretera Jeneralin’ny MDC, antokoben’ny mpanohitra Zimbaboeana, mivantana mihitsy io fiampangana io.

Mialoha ny andehanako amin’ny antsipirian’ny tantara, dia izao aloha fanambarana ofisialy ataoko … TSY MARINA io tantara io. Aleo lazaina fa fantatra no hoforonina kokoa izy ity rehefa nampangaina ho mampiasa haitao tsy fanta-piaviana izahay. Indreto koa misy zava-bitsivitsy tokony holazaina:

* Tsy manam-pifandraisana amin’ny antokon’i Robert Mugabe mihitsy izahay. Tsy nihaona na nifampiraharaha taminy na tamin’ny olony na oviana na oviana izahay.
* Tsy manam-pifandraisana amin’ny Mossad Isiraeliana izahay
* Tsy nisy mpiasan’ny Cogniview na dia iray aza efa nankany Zimbabwe.

Nanohy nanoratra amin’izay eritreriny ho nahatonga ny orinasany ho tafiditra amin’ity tantara ity izy:

About a year ago we developed an Open-Source PDF converter called CC PDF converter [4]. This converter (which is available for download for anyone that has an internet connection) allows one to convert anything printable into PDF. It also allows adding a Creative Commons license as the last page of the document. And at the very end of this page there is a link to Cogniview’s website.

I also learned (from the people that called to chastise us) that the voter-roles that were provided to the MDC by Zimbabwean officials were in PDF format and had a link to Cogniview’s website.

My guess is that the people at the MDC wanted to get the voter data in a format they could easily handle (like Excel) and instead got it in a PDF file (that was produced by our converter). They got (justifiably) angry and concocted a story about the Israeli Mossad and my company (this part isn’t justifiable).

Tokony ho herintaona izay dia nahavita Open-Source mpanova ho PDF antsoina hoe CC PDF converter [4] izahay. Io Mpanova (izay azon’ny rehetra manana fifandraisana aterineto trohina) io dia mamadika izay rehetra azo avoaka printy ho PDF. Azo atao ihany koa ny manampy Creative Commons license any amin’ny faran’ny raki-kevitra. Any amin’ny tena fiafaran’ny takelaka moa dia misy ny rohin’ny vohikalan’ny Cogniview.

Reko (avy amin’ireo nitsikera anay) fa ny lisitry ny mpifidy nomen’ny mpiasam-panjakana Zimbaboeana ho an’ny MDC dia vita rafitra PDF sady misy ny rohin’ny vohikalan’ny Cogniview.

Dia nieritreritra aho hoe rafitra mora kirakiraina (tahaka ny excel) angamba nonotadiavin’ny olon’ny MDC kanjo rakitra PDF (izay nataon’ny mpanova novokarinay) no azony. Nahatezitra azy ireo izany (azo ekena ho rariny io) ary dia nikonokonona tantara momba ny Mossad Isiraeliana sy ny orinasako avy eo (io farany io kosa no tsy rariny).

Isaorana i Denis [5] tamin’ny rohy natorony!