Tantara tamin'ny 06 Avrily 2008
Liban, Mivarotra Rivotra
Misy tranga iray ity mety (na tsia) mampiseho izay mety hampiasan'ny Libaney ny talentany amin'ny hevitra tsy dia mahazatra hahazoana vola sy hampisehoana ny “fitiavan-tanindrazana”. Ramatoa Rasha Najjar no nahita ny hevitra hoe angonina amin'ny tavoahangy ny rivotra ary alefa any ivelany. Novokarina ary ny “rivotra avy any Liban” voatahiry...
Mamelana ny Voninkazo any Japana
Tonga indray ny lohataona any Japana, nomarihin'ny vonin'ny “cerisiers” voalohany tamin'ity taona ity. Mila tsy ho andrin'ny mponina ny hamoahana ho fivelaran'ireo voninkazo, sy hanamarihany ny andro tsara hanaovana ny fitsangatsanganana eny anivon'ny vonin'ny “cerisiers” (hanami). Ampahafantarina rehefa milaza toetr'andro moa ny famonin'ny “cerisiers” (sakura zensen) – izay mikisaka mianavaratra...
Angola: Fifidianana 2008
Antsoina hifidy ny solombavambahoakany ao amin'ny antenimieram-pirenena ny Angoley amin'ity taona ity, dia ny volana septembra 2008 izany. 17 taona izay no lasaa hatramin'ny nifidianan'ny Angoley farany. Manana ny lisitra manakaiky ny 100 mety hifaninana amin'io fifidianana io i Feliciano J.R.
Angola: nomena ny satro-boninahitra ny oliravin'ny vanja milevina
Nomena ny satro-boninahitra ny oliravina (tratran'ny) vanja milevina : Augusta Urica no nandresy tamin'ny fifaninanana hatsara-tarehy sy bika amin'ireo tovovavy niharan'ny fipoahan'ny vanja milevina notanterahina tao Angola. Natokana ho an'ireo sisa niangana tamin'ny fipoahana vanja milevina moa ity fifaninanana ity. 18 no isan'ny mpifaninana tamin'ity hetsika nampisy adihevitra nokarakaraina hampitandremana...
Isiraely : Orinasa isiraeliana mivoatra endrikendrehina fa mangala-bato any Zimbabwe
Tamin’ny Zoma 28 marsa dia nisy gazetinkala antsoina hoe “Zimbabwe Online” (Zimbaboe eo ampifandraisana) namoaka lahatsoratra namoaka lahatsoratra miampanga ny Cogniview, orinasa an-dalam-pivoarana Israeliana, ho manampy an’i Robert Mugabe hangala-bato. Nolazain’i Tendai Biti, sekretera jeneralin’ny Antoko Hetsika ho amin’ny Fiovana Demokratika (MDC) tamin’ny mpanao gazety tao Harare fa nanampy ara-teknika...