- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Zimbaboe : Ampahafantarò amin'ny alalan'ny SMS ireo nofinofinao

Sokajy: Zimbaboe, Fifidianana, Politika

Amanda Atwood no manentana ireo Zimbaboeana ao amin'ny blaogin'ny kubatana.net hampahafantatra izay mba nofinofiny mikasika ny Zimbaboe “vaovao” [1] sy manapariaka izany :

In addition to inviting email contributions, we also asked our many SMS subscribers what a new Zimbabwe looks like to them. Read some of their ideas below, and text your dreams for a new Zimbabwe to +263912452201

  • Want stable currency and return to real money – not bearer cheques.
  • Reduced tax.
  • We should never again leave power in the hands of one man.
  • Truth and reconciliation commission. . . Clean the mess and corruption in councils and parastatals and c.i.o. . .
  • Fill up shops with goods. We don’t want black markets. Open up closed industries.
  • health and Education ministries given lion s share of e National Budget. Not Defence we a nt at war.
  • Pres M Tsvangirai and MDC should be left alone to form a cabinet & govt no links to corrupt zanu pf officials
  • “Ho fanampin'ireo valinteny tamin'ny imailaka, dia niangavianay koa ireo olona maro mpamaky vaovao ara-SMS eto aminay hizara izay mba fahitany no tokony ho toetoetry Zimbaboe. Vakio io ambany io ireo hevitry ny sasantsasany, dia alefaso SMS ao amin'ny +263912452201 koa izay mba nofinofinao hoan'ny Zimbaboe “vaovao.”

    - Mitaky ny fametrahana sandam-bola matotra izahay sy ny famerenana ny fampiasana ny vola “tena izy” fa tsy itony “taratasy azo avadika vola” itony.
    – Fampihenana ny hetra.
    – Tsy tokony avelantsika ampelatanan'olo-tokana intsony ny fahefana.
    – Fametrahana ny komisiona Fahamarinana sy Fampihavanana [2] [toy ny tany Afrika Atsimo] … Fanadiovana ny gaboraraky ny tsolotsolotra anivon'ny rafitra samihafan'ny fanjakana sy ireo orinasa rehetra tantanan'ny fanjakana sns . . .
    – Famerenana ireo entana hovidiana any amin'ireo tranombarotra. Leon'itony varotra an'elakelatrano itony izahay. Fanokafana ireo orinasa tsy miankina amin'ny fanjakana.
    – Ireo Ministerana'ny fahasalamana sy ny Fampianarana no omena ny “zara henan'ny Liona” fa tsy ny Ministeran'ny foloalindahy [tafika], tsy firenena an'ady akory isika izao [ampahany lehibe indrindra, ny Liona no heverina ho mpanjakan'ireo biby fahita any Afrika].
    – Avelao ny filoham-pirenena [vaovao] Morgan Tsvangirai sy ny antoko MDC [izay tarihiny] hanangana sy hisafidy samirery ny rafi-pitondrana sy ny governemantany, ho lavitra ireo mpiasam-panjakan'ny antoko Zanu PF izay efa voan'ny tarazoky ny tsolotsolotra.”