- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Zimbaboe : Ny antony mbola tsy ankalazanay

Sokajy: Zimbaboe, Fifidianana, Politika

Comrade Fatso [ny kamarady Fatso] monina any Zimbaboe no manazava ny antony mbola tsy ankalazandry zareo Zimbaboeana [1] [ny valin'ny fifidianana] :

We didn't erupt into celebration yesterday. Foreign journalists and activists expected us to be jubilant, drunk with joy. But for us it's not over until this entire house is demolished, brick by brick. Today the forex dealers are smiling at the fleamarkets. The township activists have a bounce in their step as they trod potholed streets. The waiters talk faster, confident in their banter. But we are not ecstatic. We are Zimbabwean. And we know we haven't won it all yet.

“Tsy nirongatra ho amin'ny fankalazana izahay omaly. Andrasan'ireo mpanao gazety vahiny sy ireo mpivoy samihafa hifaly avanja tokoa izahay, ho mamon-kafaliana. Ho anay anefa tsy mbola vita tanteraka io raharaha io, raha tsy rava tanteraka ilay tranobe, tsy avela hisy biriky roa hifanongoa intsony. Miramirana ireo mpanakalo vola teny an-tsena androany. Ireo mpivoy isam-paritra ohatry ny nahazo vahana amin'ny famindra ataony, toy ny tafita arabe feno lavaka. Malakilaky fiteny kokoa ireo mpiasan'ny hôtely mpandray kômandy sakafo, matoky kokoa amin'izay kivazivazy fanaony. Saingy tsy mifaly avanja izahay. Satria Zimbaboeana izahay. Ka fantatray tsara fa tsy mbola azonay tanteraka ny fandresena .”