- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Angola : fankalazana ny tsingerintaonan’ny fandriampahalemana

Sokajy: Angola, Fitantanam-pitondrana

Ao amin’ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe ‘Fandriampahalemana’, no ankalazan’i PValente [1] [pt] ny tsingerintaona niverenan’ny fandriampahalemana tamin’ny 04/04/2002 tao Angola taorian’ny fitsaharan’ny ady an-trano, ary dia navoakany koa ny sarin’ny T-shirt ‘ahatsiarovana ny fahaenintaonan’ny andron’ny fandriampahalemana sy ny fampihavanam-pirenena tao Angola.’