Jordana : Aterineto lafo indrindra manarakaraka an'i Marôka

An American in Jordan [Amerikana iray aty Jordana] no mitatitra ny halafon'ny fampiasana Aterineto any Jordania :

“The Jordan Times is reporting that Jordan’s Internet prices are among the highest in the region due to the imposed 16 percent sales tax. In fact, Jordan ranks second only to Morocco, which applies a 20 percent sales tax on Internet, […]

So while (and if) the goverment gets around to slashing the sales tax, Internet service providers also need to boost the speeds (I have never, ever received the advertised 2MB/s!) and remove download caps. I’d say it’s about time to move Jordan’s Internet services into the 21st century. And I’m talking to you, Orange!”

“Ny gazety The Jordan Times no manamabara fa ny vidin'ny fampiasana Aterineto any Jordana dia isan'ireo lafo indrindra any amin'ny faritra noho ny hetra 16% izay mianjady aminy. Izany hoe faharoa monja amin'ny halafo i Jordana, i Marôka no voalohany sady mampihatra tahan-ketra 20 %,[…]
Ary raha hampihena izany hetra izany ny fanjakana dia tokony hatsarainy koa ny hafainganan'ny tolotr'ireo orinasa mpivoy Aterineto (izaho manokana aloha dia tsy mbola mba nahita izay 2MB/s nampanantenain'ny dokambarotra e !) sy ny famerana izay halehiben'ny zavatra tiana adika. Hoy aho hoe, fotoana angamba izao ny hidiran'ny fampisana Aterineto aty Jordana amin'ny zatotaona faha-21. Ianareo mihitsy anie izany tantaraiko izany ry orinasa Orange e !”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.