- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Armenia : An'iza ny fitantanana ny rano ?

Sokajy: Armenia, Frantsa, Fampandrosoana, Toekarena sy Fandraharahàna

Ny blaogin'ny lalàna mikasika ny rano na Water Law Blog dia mamakafaka ny toe-draharaha mikasika ny famatsiana rano fisotro sy ny famalanana rano avy nampiasaina [1] any Armenia, taorian'ny fianjeran'ny firaisan'ireo fanjakana Sovietika sy ny fitsofohan'ireo orinasa Frantsay amin'ny fitrandrahana izany :

In Armenia, domestic water supply and sewer services are supplied either by local municipalities or State owned stock companies.

The State’s report in support of its privatization conclusion makes an all or nothing conclusion: In order to provide efficient and cost effective water services to all Armenia, private companies should provide water throughout Armenia, both in urban and rural areas. While the report recognizes that individuals can be self supplied by wells, it fails to mention or address the effectiveness of self-regulated and owned small community water associations.

Any Armenia, eo am-pelatanan'ireo rafitra fitondram-panjakana na ireo orinasa izay ambany fiadidian'ny fanjakana ny fitantanana ny famatsiana rano fisotro sy ny famalanana rano avy nampiasaina.

Ny valin'ny fanadihadiana nataon'ny fanjakana izay mitarika any amin'ny fialan'andraikitry ny fitondrana fa fivarotana izany amin'ny orinasa, dia manao fehinkevitra karazany “na alaivo daholo na ialao” [tsy misy marimaritra iraisana] : Mba hahatomombana ny fitantanana sy ny tolotra rano fisotro manerana an'i Armenia, ireo orinasa izay tsy miankina amin'ny fanjakana dia tokony hanome tolotra manerana ny firenena, sady an-tanàna no eny ambanivotra koa. Na dia marihin'izany tatitra izany aza fa afaka vatsiana amin'ny alalan'ny vovo fatsakana koa ny tsirairay, adinony ny manamarika fa na mampivoitra ny fahombiazana sy ny fahaiza-mitantana izay nasehon'ireo fikambanana madinika mitrandraka ny rano.