- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Zimbaboe : Ireo fiovana izay andrandrain'ireo Zimbaboeana fatratra

Sokajy: Zimbaboe, Fifidianana, Politika

Bev Clark no manangona sy mizara ao amin'ny blaogin'ny kubatana.net ireo fiovana izay andrandrain'ireo olon-tsotra fatratra [1] any Zimbaboe:

Here is more of what ordinary Zimbabweans want to see change in a free Zimbabwe. This information comes from feedback from a Kubatana.net email newsletter in which we asked for ideas . . .

  • Retire all those who have contributed to the collapse of our economy.
  • No more presidential birthdays – we all have birthdays. It’s a waste of our tax monies. Eating cake on national television when people are starving to death.
  • And when the soon to be first lady goes shopping, we the people who voted for you do not need to be locked out of shops because your wife is shopping.
  • We want teachers to get paid well – the future of our children is in their hands.
  • One presidential term for 7 or 8 years no more.
  • Limited use of national airline for Presidential trips and payments should be made.
  • Do not make promises you cannot keep, for example Zambezi water project for Matebeleland.
  • Take good ideas from opposition (Zanu PF).
  • Accept criticism.
  • “Ireto no loha-laharana amin'ireo zavatra irin'ny olontsotra Zimbaboeana hiova amin'ilay Zimbaboe “afaka.” Ireto to dia nangonina avy amin'ireo valinteny voaray tamin'ny gazety an'imailaka napariaky ny Kubatana.net, izay manontany ireo hevitra [hahasoa ny firenena] . . . ”

    - Fanonganana ireo rehetra izay nandray anjara tamin'ny fianjeran'ny toekarenantsika.
    – Tsy manakalaza ny fety nahaterahan'ny filoham-pirenena intsony – samy manana izay andro nahaterahany ny tsirairay. Fandrobana ny hetrantsika fotsiny izany. Fihinana mofo mamy ho hita amin'ny fahitalavitra anefa ny vahoaka matin'ny hanoanana.
    – Ary rehefa handeha hiantsena Ramatoa vadin'ny filoha atsy ho atsy, tsy tokony hidianao ivelan'ireo trano fivarotana izahay vahoaka izay nifidy ho anao noho izay vadinao miantsena.
    – Takianay ny handoavana karama tsara [betsaka] hoan'ireo mpampianatra – eo am-pelatan'izy ireo mantsy ny ho avin'ny zanakay.
    – 7 na 8 taona no halavan'ny filoham-pirenena iray, raha be indrindra.
    – Famerana ny fampiasan'ny filoham-pirenena ny zotra an'habakabaka Nasionaly ary tokony handoavany vola izany.
    – Tsy fanaovana “kobak'am-bava” [fampanantenana fantatra fa tsy ho voatana], ohatra ny tetikasan'ny renirano Zambezy hoan'ny faritry Matebeleland.
    – Mandray ireo tolo-kevitra tsara aroson'ny antoko mpanohitra (Zanu PF izay antoko mpitondra teo aloha).
    – Manaiky ny fisian'ny fitsikerana.”

    Dia mbola nisy nanampy tamin'ny fametrahana hafatra :

  • Another would be to fix the Kariba dam wall so that sufficient hydroelectricity can be generated to run the country…
  • How many people lost their Zim nationality in 2000 when we were required to renounce any second one we could hold? I was outside the country with Zim passport expired and lost mine. I want it back as my birthright and right to reside in my country.
  • “- Hevitra iray koa ny fanamboarana ny toha-dranon'i Kariba, mba ho ampy ny tolotra herin'aratra ho enti-mampiodina ity firenena ity.
    – Tamin'ny taona 2000, rehefa nasaina nisafidy ireo izay mizaka zom-pirenena roa, firifiry moa ireo mpiray tanindrazana izay noverezin-jò amin'ny maha-Zim azy [Zimbaboeana] ? Izaho manokana dia nonina taty ivelany, rehefa tapitra ny fe-potoana nananany hery dia very niaraka tamin'izany koa ny ahy. Andrandraiko fatratra ny hamerenana ny Pasipaoroko Zim sy ny zo ahafahako miverina monina any an-tanindrazana miaraka amin'izany.”