Manoratra ny momba ny hatsikana politika ao Zimbaboe ny kamarady Fatso:
“Sao mba misy mahafantatra olona manana fiarabe? Misy mantsy Lezalahy iray ho’aho te-hamindra ny fananany rehetra avy ao amin’ny tranobem-pirenena [fonenan'ny filoham-pirenena] alefa any Zvimba [ambanivohitr'i Mugabe]. Manondro ilay antidahy mpanao didy jadona hifindra monina ho any ambanivohiny io tantara hatsikana io. Nino ny olona fa fifidianana “jeneraly” [ankapobeany] iny – satria ireo jeneraly no manapaka ireo izay ho voafidy. Kivazivazy hafa fandre eny an-dalamben’i Harare koa ny mahasamihafa ny fifidianana [election] sy ny maha-“dangitra” [erection, fihenjanan'ny filahiana alohan'ny firaisana ara-nofo]: tsy azo “amorònana izay tsy misy” ilay farany [tsy afaka anaovana fitaka].”
2 hevitra
Ary hafa mihitsy ange no niheverako azy ka nahatonga ahy hieritreritra fanorenana e!