Bahrain: fiainana milamina anatin'ny fahasamihafàna

Hatrizay hatrizay, efa aman'arivorivon-taonany lasa izay, Bahrain dia tanim-pilaminana izay ifangaroan'ny mponina maro samy hafa finoana, sy fiaviana. Tao amina tanàna tranainy iray, i Ràn'i Kristy (Ar), mpiblaogy iray avy ao Bahrain dia nahita sary iray izay mampiseho fiainana mirindra anatina fahasamihafàna.
Fiainana mirindra anatina fahasamihafàna ao Bahrain.


I Ràn'i Kristy, dia nametraka io sary etsy ambony io, ary nanamarika fa :

استوقفتني هذه الصوره لما تحمل من معاني مخبئه وراء هذه الحشد من المباني المتراصه التي كثيرا ما كنت امر عليها دون ان اتنبه لدلالتها .
– الدائره الاولي علي اليسار هي لجامع الفاروق للطائفه السنيه .
– المساحه المفتوحه هي مقبره ومسجد تابع للطائفه الشيعيه .
– اما الدائره الصغيره التي ترونها فهي عباره عن حائط يحمل صليب الكنيسه الانجيليه .

Nanaitra ahy io sary io noho ilay marika miafina ao ambadiky ny tranobe. Im-betsaka aho no nandalo teo amin'io toerana io fa tsy takatro hatrizay ny tena heviny.
– Ilay faribolana voalohany etsy ankavia dia maneho ny môsken'i Al Farooq izay ho an'ny vondrom-pinoana sonita.
– Ilay toerana malalaka indray dia ny fasana sy môsken'ny vondrom-pinoana siita.
– Ilay faribolana kely kosa dia ny tamboho mitazona ny vokovokon'ny fiangonana anglikana.

Izany dia ahafahana mitaratra ny haavon'ny fahaizana miara-miaina ao amin'izany faritra izany ; efa ho maherin'ny 100 taona moa izay no nisian'izany drafitra izany tao. Tao amin'ny sombin'izao tontolo izao ihany, izy ireo no tafahaona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.