- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Marôka : Mitaky fiompiana kisoa ireo mpizahatany

Sokajy: Maraoka, Fifandraisana iraisam-pirenena, Sakafo, Tontolo_iainana, Tsidika

The View from Fez [topi-maso avy any Fez] any Marôka no mitatitra ny fisian'ny fiompiana kisoa any amin'ny firenena izay Silamo sady fady tsy mihinana izany [1] :

One of the last things you would expect to find in Morocco is a pig farm. Given that the consumption of pork is a religious taboo it may come as a surprise that this is a growth industry. And the reason? Tourism.

“Angamba zavatra isan'izay tsy heverinareo ho hita any Marôka izany hoe fiompiana kisoa izany. Nohon'ny maha fadim-pivavahana ny fihinanana kisoa ka mety hahazendana ny mandre fa mitombo ny fitrandrahana izany any an-toerana. Ny antony ? [Fitombon'ireo] mpizahatany.”