- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hong Kong: Famelomana indray ny Tai O

Sokajy: Fampandrosoana, Toekarena sy Fandraharahàna, Tontolo_iainana

Nikarakara fifaninanana hamelomana indray ny fanjonoana nentim-paharazana ambanivohitra ny governemanta ao Hong Kong, Tai O. Avahan'i Diumanpark fa ny filazana hoe “hamelomana indray” dia fanarotsaronana ny “commercialisation” [1](fampiroboroboana ny varotra), izay, mety hamotika ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao mampiavaka ny ao an-toerana[zh] ihany.