- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Japana: Nialàn'ny Nissan i Richard Gere

Sokajy: Japana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Politika, Teratany, Toekarena sy Fandraharahàna, Vaovao Mafana, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona

Niteraka fanehoan-kevitra an-jatony [1] tao amin'ny dinika (forums)[ja] sy setriny avy amin'ny mpamaham-bolongana ny tati-baovao iray [2] [ja] (fehiny amin'ny teny anglisy [3]) izay nahafantarana fa nofoanan'ny Nissan ny fifanarahana tamin'i Richard Gere ho ana fahitalavitra ara-barotra iray noho ny fanohanan'ity mpanao sarimihetsika ity ny Dalai Lama. Raha mbola eo ampisalasalana [4] raha marina tokoa izany vaovao izany [ja] ny sasany dia efa milaza ny fanadondronan'ny fihetsiky [5] Nissan kosa ny hafa [ja].