- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Makaô: Mpanao politika mino ny fandrosoan'ny firenena

Sokajy: Makaô (Shina), Fitantanam-pitondrana, Politika

Leocardo [pt] no mamelabelatra ny ho avin'i Makaô sy ny mpanao politika ao aminy amin'izao fotoana izao:

“Azo inoana ve ireto mpanao politika “part-time” izay mitady paika ho voafidy anatin'ny fomba fifidianana izay tsy demokratika akory mba ho voafidy, avy eo mitady izay hahatsaratsara ny fiainany sy ny fandraharahana ataony rehefa tonga eny amin'ny antenimiera? Ny zanany amin'io mianatra (ary amin'ny ankapobeny dia miaina) any andafy? Mino ny ho avin'i Makaô (izany hoe mino ny handrosoan'i Makaô) tokoa ve izy ireo sa ataony izay hahavoafidy azy mba hahamoramora kokoa ny fanaovana bizina, manao azy ho fitaovana fanaovam-bola?”