- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Qatar:voarara ny fampiasana ny facebook sasany

Sokajy: Katara, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Teknolojia

Ngourlay [1] no milaza fa nosakanan'ny Qatar Telecoms ny fampiasana (tranonkala) ny Facebook sasantsasany. Nalahatry ny mpamaham-bolongana ny antony dimy mahatonga ny fanakanana ny vohikala: pôrnôgrafia ( na fampisehoana sary mamoha fady), fitsikerana politika ny firenena ao amin'ny Helodrano ary fananganana vohikala fanoherana ny fivavahana Islamo; ny vohikala sasany indray moa dia voasakana ‘tsy nahy’ ary ny hafa indray dia voasakana satria mety ho manakiana olona fotsiny.