Tantara tamin'ny 29 Marsa 2008
Makaô: Mpanao politika mino ny fandrosoan'ny firenena
Leocardo [pt] no mamelabelatra ny ho avin'i Makaô sy ny mpanao politika ao aminy amin'izao fotoana izao: “Azo inoana ve ireto mpanao politika “part-time” izay mitady paika ho voafidy anatin'ny fomba fifidianana izay tsy demokratika akory mba ho voafidy, avy eo mitady izay hahatsaratsara ny fiainany sy ny fandraharahana ataony...
Angola: Mbola azo atao tsara ny mitolona
“Nikarajia (ni-chat) nandritra ora roa tamin'Atoa Anthony Alberto Neto, filohan'ny Antoko Demokratika Angoley (PDA) aho. Amin'izao fotoana mampitombo isa ny Angoley any ampielezana (anatin'izany aho) manontany tena hoe mbola tokony hotohizana ve ny ady, hoe mbola azo atao ve ny mino (ny fandrosoan’) i Angola, dia hitako fa ny lehilahy...
Rosia: fankahalana vahiny ao Rosia
Moscow Through Brown Eyes (Moskoa jerena avy amin'ny maso volontany) no mamoaka vaovao farany fohy mikasika ny vono olona noho ny fankahalana ao Moskoa; Window on Eurasia (Varavarankely misokatra mankany Eorazia) indray wnanoratra ireo fampielezana kisarisary apetaka amin'ny tamboho (graffiti) hetsehin'ny Fikambanana manohitra ny fifindra-monina tsy ara-dalàna (DPNI) any Moskoa “mba hanairana...
Maraoka: hisokatra ny taom-piotazana voatavo
“Efa hisokatra izao ny taom-piotazana voatavo eto Maraoka. Saingy ny olana (vaovao ratsy) dia tsy tian'ny any Eoropa ireo voatavo voakatra ireo. Ny karazam-boatavo Maraokana manko dia voly fanondrana no tena nambolena azy,” io no voasoratry The View from Fez.
Qatar:voarara ny fampiasana ny facebook sasany
Ngourlay no milaza fa nosakanan'ny Qatar Telecoms ny fampiasana (tranonkala) ny Facebook sasantsasany. Nalahatry ny mpamaham-bolongana ny antony dimy mahatonga ny fanakanana ny vohikala: pôrnôgrafia ( na fampisehoana sary mamoha fady), fitsikerana politika ny firenena ao amin'ny Helodrano ary fananganana vohikala fanoherana ny fivavahana Islamo; ny vohikala sasany indray moa dia voasakana...
Rosìa : Honohono sy zava-misy
Da Russophile [voasarik'izay rehetra mikasika an'i Rosìa] dia mamaly ny lahatsoratr'i La Russophobe [tafintohin'izay rehetra mikasika an'i Rosìa] amin'ireo Honohono 10 mikasika an'i Rosia : 2. MYTH: Putin has abused human rights, personally murdered 200 journalists and returned Russia to its totalitarian past. REALITY: Too bad that only 3% of...