Arabeyes : Tsy Rototra tamin'ny Fifindran'i Magdi Allam ho Katolika ny Mpitoraka Blaogy

Maro ny olon-dehibe nifindra Katolika ary nataon'ny Papa Benedict XVI Batemin'ny tamin'ny faran'ny herinandron'ny Paka teo. Isan'ny natao Batemy tamin'izany i Magdi Allam, Silamo, teratany Ejypsianina, nonina tao Italia nandritra ny antsasaky ny fiainany mahery, ary fantatra koa fa mpitsikera ny “Silamo iringiriny”. Na dia “Silamo be” aza no nilazan'ny mpanao gazety maro azy, dia nilaza izy fa tsy mpanaraka ny fombafomba Silamo. Naneho ny heviny ny mpitoraka blaogy tamin'ny fifindran'i Allam ho Katolika. Egyptian chronicles manokana dia tsy nametraka olana :

Seriously this man was not that famous or important to us.

I do not care if he converted to Christianity or any other religion he believes in , he is an adult who can take his decisions by himself , but I do not consider him as a Prominent Muslim either , it seems to me that Mr. Allam before baptizing was a very secular person ,he did not pray , he did not fast,going to Mecca for Pilgrimage with his deeply religious mom “I do not know what she will think about him now but as an Egyptian I know that this can create a shock for her”

Of course now some so-called Islamic extremists will appear and say let's kill him just to add more fuel on the fire of So-called Islamic danger in Europe .

I think the media should ignore this , as I said he is a free man to do what ever he wants , we got other important issues to cover and discuss than this.

Tsy tena nalaza na nanan-danja be taminay akory io lehilahy io.Tsy misy olana amiko mihitsy raha nivadika Kristianina izy na izay fivavahana hafa inoany, olon-dehibe izy ary afaka mandray ny fana-paha-keviny. Tsy silamo be koa izy, ary amiko dia tsy mpino akory izy talohan'ny nanaovana Batemy azy. Tsy nivavaka izy, tsy nifady hanina, tsy namonjy ny fietahana masina tany Mecca miaraka amin'ny reniny izay tena miaina ny finoany tokoa “Tsy haiko izay mety ho eritreretiny amin'izao zavatra mitranga izao, fa amin'ny maha Ejipsiana dia azoko antoka fa manohina azy io.”

Azo antoka fa hiseho ireo mody hoe Silamo iringiriny ary hilaza hoe andao vonoina izy mba handrehetana indray ilay lazaina fa loza entin'ny Silamo ao Eropa.

Amiko dia tokony tsy hovoizin'ny mpanao gazety ity, araka ny efa voalazako hoe olona afaka manao izay tiany izy, misy zavatra hafa tokony ho resahina kokoa noho ity raharaha ity.

I Sandmonkey, avy any Ejipta koa, dia milaza fa atahorana hisy handroba i Allam

The Egyptian-italian man who was heavily critical of Islam and an unequivocal Israel Supporter in Italy has decided to convert to catholicism on Easter, by the Pope himself. Yeah. Hmm..well, if there any catholics reading this blog, this might be the time to pray for that guy. He will need it!

Nanapa-kevitra ny hifindra Katolika tamin'ny Paka, teo anatrehan'ny Papa mihitsy, ny Ejipsiana-Italiana ao Italia izay mpitsikera ny finoana Silamo ary mpanohana ny Israely. Yeah. Hmm..raha misy Katolika mamaky ity blaogy ity, dia fotoana tokony hivavahana ho an'io lehilahy io angamba izao. Mila vavaka izy !

Betsaka no namaly io lahatsoratra io. Izao no nolazain'i K-2

I hope his police escort is among the best: in the past Italian police escorts have failed miserably in protecting high profile personalities from terrorists or mafia attacks.

On the other hand, this will be used by anti-muslim, anti-immigration as propaganda against the muslim world by La Lega del Nord (the Northern League, a separatist, racist party).

Antenaiko fa isan'ny tsara indridra ny polisy mpiambina azy : taloha mantsy dia tsy nahavita niaro ireo olo-malaza tamin'ny fanafihan'ny mpampihorohoro na mafia ny polisy Italianina.Amin'ny lafiny iray koa dia ho araraotin'ny mpanohitra ny Silamo sy ny mpifindra-monina izao hampielezana ny hevitra manohitra ny Silamo noho ny La Lega del Nord (the Nothern League, antoko mpampisaratsaraka sy mpanavakavaka)

Izao kosa no nolazain'i Sewage Soup :

wow they interuppted the Italian TV to broadcast the news of his baptism… if Muslims did that for every almost-famous washed-up celebrity who converts to Islam… they wouldn’t have anymore air-time left to broadcast bin laden videos.

wow notapahina mihitsy ny fandaharana tamin'ny fahitalavitra italianina mba handefasana ity vaovao amin'ny nanaovana batemy azy ity … raha nanao izany ny Silamo isaky ny misy olona malazalaza mifindra silamo … tsy hanana fotoana handefanana ny horonan-tsarin'i bin laden intsony izy ireo.

Mampametra-panontaniana an'i My Egypt, mitoraka blaogy avy any Ejipta, koa ny mety ho tanjon'ny Papa :

If indeed it is a private matter why then would an individual be baptized by the Pope on the eve of his Easter Mass? Why not at his local church? Why did the Vatican give this conversion such a high profile status? The answer seems to be that the Papal propaganda machine saw the benefit of publicizing the conversion in an attempt to extol the virtues of Catholicism as opposed to Islam. If this was indeed the desired attempt why would they then talk of the privacy of conversion and faith?

The simple fact is that they are misleading those who know nothing about Islam. Islam is not something you are born into alone. Islam is a way of life that one has to openly accept, and if it is not accepted then you are not truly a Muslim.

Raha tena fiainana manokana tokoa dia nahoana no amin'ny Sasakalin'ny Paka no ataon'ny Papa Batemy ny olona iray ? Fa maninona no tsy natao tany amin'ny Fiangonany ? Nahoana no omen'ny Vatican lanja be toa izao ny fifindran'ny olona “malaza” ho Katolika ? Toa hitan'ny [Papal propagance machine] hararaotina ity fifindrana ho Katolika ity hampiharihary ny “Fahendrena” Katolika manoloana ny Silamo. Raha izany nefa, dia nahoana izy ireo no milaza fa fiainana manokana ny fifindrana finoana sy ny finoana ?Ny zava-misy dia mandiso hevitra ireo tsy mahafantatra ny finoana Silamo izy ireo. Tsy finoana hifindranao irery ny Silamo fa fomba fiainana ekena am-pahalalahana ; ary raha tsy manaiky izany ny olona iray dia tsy tena Silamo.

Farany, tsy dia manisy olana amin'io fifindrana ho Katolika io koa i A Moro in America, avy any Morocco :

I have never heard of Italian Magdy Allam , whom Reuters described as a famous Muslim. Reuters said “famous Muslim convert” received a high profile baptism in the Vatican. Magdy, an Egyptian born, is said to be a strong critic of Islamic extremism and a strong supporter of Israel.

Tsy mbola nahare mikasika ity Italianina Magdy Allam, izay lazain'ny Reuters fa Silamo malaza ity aho. Natao Batemy tao amin'ny Vatican ny “Silamo Malaza nifindra finoana” hoy ny Reuters. Lazaina moa fa mpitsikera ny Silamo iringiriny ary mpanohana ny Israely.

Izao no hevitra iray tao amin'io lahatsoratra io :

The way the Pope is provoking our muslim friends and countrymen is totally unacceptable. This is not the first time he has done this. I can't understand or tolerate his position.

Tsy azo ekena mihitsy ny fomba handrangitan'ny Papa ireo rahalahy Silamo sy mpiray tanindrazana. Tsy vao voalohany izy no nanao toa izao. Tsy azoko leferina mihitsy izao.

Sary nalain'i giando, arovan'ny Creative Commons.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.