- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nizeria: Vohikala ho an'i Obama

Sokajy: Nizeria, Fifidianana, Politika, Teknolojia

David Ajao no miresaka momba ny fisokafana vohikala iray hanohanana an'i Obama any Nizeria [1]: Manopy maso mandrakariva ao amin'ny fanaovana dinika amin'ny aterineto Nairaland be mpanaraka indrindra ao Nizeria aho , mba ahitako ny fironana sy ny malaza ao Nizeria. Noho ny fahafantarako ny tsy fahalalan'ny mpitarika nizeriana izay laharam-pahamehana dia tsy mahagaga ahy intsony ny nahita ilay lohahevitra hoe: “Antenimieran'i Lagos nanokatra Vohikala hanohanana an'i Obama”…