- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina : Gidragidra manerana ny lalamben’i Lhasa

Sokajy: Shina, Fanoherana, Fivavahana, Lalàna, Teratany, Vaovao Mafana

Na dia efa andro vitsivitsy lasa aza ity lahatsoratra ity no nivoaka tamin’ny teny anglisy ataoko fa tsy very akory ny hasina mahavaovao azy indrindra amin’ny teny malagasy noho ny fahavitsian’ny vaovao milaza azy amin’ity tenindrazantsika ity. Izay no mbola amoahako azy hatrany. Marihina hatrany fa fandikanteny fotsiny no ataoko fa tsy misy hevitro ao. Raha vao mamaky ny soratry ny mpamaham-bolongana (mpibilaogy) avy any Lhasa [1] fotsiny dia mety ahalalana ny zava-mitranga any ny Zoma (heriny) lasa teo; _Nifanandrify indrindra tamin’ny faha-49n’ny fiokoana notarihin’ny fahefam-pivavahana saingy tsy nahombiazan’ny vahoaka Tibetana hanoherana ny fibodoan’ny [2] Repoblika entim-bahoakan’ny Shina [3] io andro io, ny andro nanaraka kosa ny andro dia nolazana ho andro fiokoan’ny Tibetana manerantany saingy nikatso [4] teo amin’ny sisintany niraisana tamin’i India izany. Havoaka eto avokoa ny vaovao fanampiny rehetra arakaraka ny lahatsoratra hita any amin’ny bolongana any. Indro asehon’i Time China blog [5] antsika ny mpizahatany Eoropeana iray ny soratra, sary, ary lahatsary [6] tany Lhasa vao tamin’ity herinandro ity.

[Fanampiny tamin’ny 16 Marsa ity eto ambany ity]

Mpamaham-bolongana QQ 24K Fitiavana Madio tamin’ny Zoma tolakandro tamin’ny 2:58 [7]:

拉萨暴乱
Rotaka teto Lhasa

今天是2008年3月14,白色情人节“也是我到拉萨的第25天。 可今天的拉萨并不太平,外面到处是暴乱份子,以前在内地从来没见过这种场面。 用恐怖也来形容也不为过。
杀人,放火,仍石头““ 外面一片黑暗。 到处冒烟。
武警都出动了“ 大街上面空无一人,店面全部关门了` 马路上都是暴乱份子扔的石头“`

Androany 14 Marsa 2008, Andron’i Valentine (diso ny mpanoratra eto) ho an’ny fotsy hoditra ary faha-25 nahatongavako teto Lhasa. Saingy misy zavatra tsy milamina androany. Feno mpitokona eny rehetra eny, zavatra tsy mbola fahitako mihitsy hatrizay teto amin’ity firenena ity. Na ny teny hoe horohoro aza toa tsy mahalaza azy.
Namono ny olona, nanoko afo teny rehetra teny, torabato re izany… Maintin’ny setroka eny rehetra ivelan’ny trano eny.
Tonga amin-kery ny tafi-bahoaka sady polisi(n’i Shina) [8] …tsy misy olona tazana eny amin’ny lalambe, nikatona avokoa ny toeram-pivarotana rehetra, feno mpirotaka mitora-bato ny arabe (avaho amin’ny lalambe) …

Mpamaham-bolongana QQ ‘Tiako Ny Lanitra Manga’, izay heverina ho mpandrato amin’ny orinasam-pizahantany, Zoma tolakandro tamin’ny 4:01 pm [9]:

拉萨的动荡3月

Fikorontanana volana marsa eto Lhasa

昨天开会了,说是几个寺庙不让去了,
珠峰也不可以去,

哎,那这旅游还咋做啊 ,
那游客来拉萨还有什么好看的呢

今天,听说大昭寺那边又有动乱了,
很恐怖的,朋友们都打电话来,
让我不要到处乱走,
真是的,你说安定团结那里不好,
非要搞点事出来,
客人来了拉萨,还不让乱走,你说这旅游还咋做吗

Re tsahotsaho fa nakatona nanomboka omaly ny tempoly maro,
Eny fa na dia ny ao an-tendrombohitry Everest aza
Raha izany dia inona moa no antony andehanako aty?
Inona ny zavatra hafa haseho ny mpizahatany eto Lhasa izany?

Reko indray androany fa misy tabataba koa ao amin’ny Tempolin’i Jokhang,
Mampitsangam-bolo izany. Mifandimby miantso ny namana,
Tsy hivezivezena any amin’ny manodidina any,
Fa dia inona loatra re no ratsy amin’ny Filaminana sy ny Firaisana aza fady indrindra?
Tsy maintsy ilaina ve ny manakorontana?
Maro ny mpanjifa eto Lhasa izao, saingy nosakanana tsy handehandeha any amin’ny manodidina, inona moa izany no andehanako hitsangatsangana aty?

现在是搞的人心惶惶的,

组团社那边,问出了什么事,
拉萨这边又让说是维修寺庙
世上那有不透风的墙呢?

Efa eto akaiky avokoa izahay rehetra izao,
Manontany ny orinasam-pizahantany hoe fa misy inona,
Dia nolazaina izahay fa eo ampanavaozana ny tempoly (rehetra) amin’izao fotoana izao
Fa dia tena mafy be (tsy azo idirana) mihitsy angaha izao tamboho izao?

Bolongana QQ hafa koa, zoma takariva tamin’ny 6:01 [10]:

拉萨是个好地方
Toerana lehibe i Lhasa

拉萨暴动…学校禁校…生日泡汤… 市里面打的那叫一个猛!军车一辆一辆的,手榴弹一颗一颗的扔,大昭寺周围被炸开花了,步行街被武警封了,温州商贸诚也被封了,石油公司貌似炸毁了… 长这么大没见过这世面…达lai真ta妈牛b!真希望赶紧把我们学校炸了!我转到人大去我!
Mirotaka i Lhasa…mikatona ny sekoly…nogafiany ny aniverserako…mahery vaika ny ady eto an-tanàna! Manavatsava ny fiaran’ny Tafika, aparitany manodidina ny baomba mananasy, toy ny voatsoka tanteraka ny faritra manodidina an’i Jokhang, nosakanan’ny tafi-bahoaka (Shinoa) ny lalana ho an’ny mpandeha an-tongotra, mikatona ihany koa ny lalan-tsenan’i Wenzhou, toa hoe nipoaka ny fivarotan-tsolika maro… na dia efa antitra aza aho tsy mbola nahare zavatra tahaka izany mihitsy …tena nanao zavatra mihitsy ilay Dalai iny! Manantena aho fa ho avy faingana izy ary handrava ny campus koa ! Hifindra any amin’ny Oniversiten’i Renmin aho ka!

Avy amina bolongana QQ hafa tamin’ny 6:25 tolakandro: [11]

圣地的暴政【拉萨】
Lhasa, fangejan’ilay toerana masina

今天的拉萨没有莪想的那么圣洁了,在拉萨一直被人尊敬的拉萨成了暴政的源头,今天呆在岛里真的很郁闷,拉萨市好几家服装店被烧毁,全岛的居民都不准出岛,喇嘛扪跟警察打起来了,死伤现在还不知道,说实话长这么大莪真实是见过那么多的装甲车,还有那么多的坦克和大部队,莪想不明白眼前的这一切是为什么? 还说把莪扪汉人杀了`?全岛和拉萨市里的店都关门大吉了,因为都是莪扪汉人开的店…
Tsy manana ny fahamasinana eritreretiko ho ananany i Lhasa ankehitriny ; ny vahoakan’i Lhasa nohajaina matetika fahiny no indreo lasa loharanom-pahalozana. Tsaroako ho tsy tamana eto amin’ity nosy ity aho; trano fivarotan’akanjo maro no nisy nandoro, nefa tsy misy mahazo alalana handao ny nosy. Nifandona tamin’ny polisy ny lamaista, tsy fantatro aloha raha nisy ny maty. Tsorika aloha fa na dia efa antitra aza aho dia tsy mbola nahita fiara mifono vy sy miaramila maro toy izany. Izay mitranga ankehitriny aloha dia zavatra tsy nokatsahiko mihitsy. Misy ary moa ny miteny fa mamono anay Han Shinoa ry zareo? Mikatona avokoa na bankirompitra ny fivarotana rehetra eto amin’ny nosy sy any Lhasa satria izahay Han no nanokatra azy ireny…

中国政府每年对西藏拨款发展,到现在得到的是什么?这样的国内暴政会让中国更会发展吗?来到拉萨的时候感觉这朴实,是个适合自己发展的地方,也是赚钱的殿堂…因为这商机大机会也多,比如这两年开采矿物质,也给西藏带来了财富,青藏线的开通就跟不是新闻了.
Mba manokam-bola entina hampandrosoana an’i Tibet ihany ny governemanta Shinoa isantaona saingy inona moa ny vokany mandraka ankehitriny? Moa hampandroso an’i Shina kokoa ve izao fanehoan-kalozana eto izao ? Fony aho tonga teto Lhasa voalohany dia nihevitra ity toerana ity ho tsotra aho, toerana mety indrindra ho fampivelarana ny mahaolona sy lapa mora ahazoambola …satria maro dia maro tokoa ny fandraharahana azo tanterahina eto, tahaka ny fitrandrahana ambanin’ny tany efa natao roa taona izao, sady nampatanjaka ny toekaren’i Tibet no nanokatra zotran-dalamby mampitohy an’i Qinghai sy Tibet [12] na dia tsy toy ny vaovao aza no ijerena azy.

Izao indray no ao amin’ny QQ, ‘ Dragona ranomandry ’ tamin’ny 6:26 hariva: [13]

08年3月14日拉萨喇嘛造反

今天下午武警,交警,特警全部出动于布达拉宫广场与拉萨百货大楼交界处
坦克,装甲车,消防车全部出动在布达拉宫前
到目前`特警伤几十人死几人
消防车被炸一辆
轿车被炸N辆,商店被烧几十家
四川人士死伤上百
大昭寺和小昭寺已经被烧毁!
朋友刚才来电说:现在拉萨各大小医院已经住满了病人!
(昨晚,在大昭寺几百名四川人士被打,13名当场死亡,80多人重伤)
14 Marsa 2008: ny fikomian’ny Laman’i Lhasa

Mizotra no an’ny amin’ny Lapan’i Potala eo amin’ny fihaonan-dalana mankany amin’ny tranombarotra lehiben’i Lhasa izao tolakandro izao ny Tafi-bahoaka, ny polisin’ny fifamoivoizana ary ny polisy mpiandraikitra ny rotaka
Mizotra manatrika ny Lapan’i Potala avokoa ny Fiara mifono vy, ny fiara mitondra fitaovam-piadiana aryny fiara mpamono afo
Nandratra olona ampolony sy nahafaty olona maro ankehitriny ny polisy misahana ny rotaka
Fiarabe mpamono afo iray no may
Fiarana sivily maro no vaky fitaratra, ary fivarotana ampolony no potika
Mihoatra ny zato ny Sikoaney [14] maty
Samy may avokoa ny Tempolin’i Jokhang [15] sy ny Tempolin’i Ramoche [16]!
Niantso ahy ny namana iray hilaza fa feno hipoka avokoa ny hopitaly madinika sy ny hopitaly vaventy rehetra any Lhasa!
(Ny alina teo dia anjatony ny Sikoaney voadaroka teo anoloan’ny Tempolin’i Jokhang ka 13 no maty ary 80 no naratra mafy tokoa)

Mamaham-bolongana QQ hafa ihany koa no nanoratra tamin’ny 6:56 hariva [17]:

关于发生在今天的拉萨暴乱
Raha mitodika tamin’ny rotaka teto Lhasa

经常在新闻中看到伊拉克战争,或是哪里又发生袭击事件,当时我就在里面感慨,还是做中国人幸福,至少是和平的,至少不会会有战争,至少人们不用生活在对战争的恐惧中!但今天发生在西藏的暴乱事件,却让我深深的感觉到,原来也有些人不想让我们中国平静、和平!不知道以后别的国家的人在看到我们中国的战争新闻时,是不是和我当初看伊拉克战争时的心情与感慨一样!

Reko matetika ny vaovaon’ny ady any Iràka, na ny fanafihana mitranga any an-toeran-kafa, ary tamin’izany fotoanaizany aho dia nisento tany anatiko any hoe tsara vintana leitsy ialahy (na indry) fa Shinoa, eto ahay mba tany milamina, tsy misy ady eto no sady tsy misy ahiana ny mety hisian’izany ady izany ! saingy ny rotaka nitranga tany Tibet androany no nampisokatra ny voamasoko kokoa ahatsapako fa misy mihitsy ny karazan’olona tsy tia izany fandriam-pahaleman’i Shina izany ! Manontany tena aho hoe raha nahita iny vaovaon’ny ady nitranga teto Shina iny ny any amin’ny firenen-kafa dia heveriny ho mitovy amin’izay vaovao mitranga any Iràka ve ?

当今天那些疯狂的达赖教众在街上围堵殴打过往的汉族人时,当他们用打火机点燃一处又一处商铺时,当他们将火苗扔向停靠在路边的汽车时,我真的感觉到很害怕且不可思议。你们在毁坏的可是你们自己的家园,你们不是信仰活佛吗?难道这些是你们的活佛指示你们做的?是活佛指示你们尽情毁坏你们的家园的吗?我想这些大部分人都是没有想过的,大部分人都是被某些想分裂祖国的人的言辞所欺骗!但你们可以想想,是谁让西藏发展成今天的模样,是谁架起了西藏与全世界人民的桥梁,又是谁每年从内地调派各类人才到西藏来教与西藏孩子知识与文化,更是谁每年从祖国的各个发达城市播款来援藏!这些我想你们都已经忘记……
Rehefa mahita ireo dalaï very saina mivory eny amin’ny arabe ary midaroka ny Shinoa Han, rehefa mandrehitra afo handoroana ny fivarotana maro izy ireo, rehefa mitoraka ny « fangaron’i Molotov » amin’ny fiara antsisin’ny arabe izy ireo, teo aho vao tena natahotra, tena tsy azo noeritreretina izany. Ny toerana izay ipetrahanao ihany anie no potehinao e ! Moa tsy mpanaraka an’i Boddha Velona ianareo ? Izay ve no eritreretinareo ho anmpianarin’i Boddha Velona anareo dia ny hoe poteho ny toeerana izay ipetrahanareo ? Mino aho fa ny maro an’isa amin’izy ireo dia tsy nieritreritra izany akory, ary ny maro amin’izy ireo dia voafitaky ny tenin’ny sasany te-hampitsonika an’i Renimalala ! Saingy raha mba noeritreretina kely fotsiny hoe iza moa no nahatonga an’i Tibet ho toeranamandroso tahaka izao ? Iza moa no nampifandray an’i Tibet tamin’izao tontolo izao ? Ary iza no mandefa ireo manam-pahaizana avy amin’ny vondron’asa isankarazany isantaona mankany Shina hampianatra ny zanaky Tibet hanovo fahalalana sy kolontsaina ? ARY iza no mitondra isan-taona ny fandraisana anjaran’ny tanan-dehibe mandroso avy any amin’ny renimalala hanampiana an’i Tibet? Mieritreritra aho fa adinonareo daholo izany rehetra izany ……

Tamin’ny 9:18 alina tao amin’ny Tahalan’i Zoer QQ [18]:

拉萨暴乱了!刷机失败了!
Nioko i Lhasa! Nandamoka ny mpampitony!

3.14拉萨的喇嘛终于又“起义”了
砸车、放火、还干了点别的什么我不得而知
即使是我的体形
都不能轻易穿越武警和陆军人墙的间隙
更不想成为装甲车履带下的炮灰

哎~喇嘛,你怎么就不能像人家和尚那么安分点儿呢?
谁都知到你丫的做不了个啥
楞老在那起哄
学芙蓉JJ搏出位?代价也忒大了点儿!

14 Marsa, « nijoro » indray ny laman’i Lhasa
Namotika fiara, nandoro, ary nanao zavatra hafa izay mety tsy ho fantatro koa
Na dia miaraka amin’ny fanorenako aza (Tirakitera ?)
tsy mora ho ahy ny mahita ny banga eo amin’ny tafi-bahoaka sy ny rindrin’(olon) ny zandary
Ary tsy tiako ny hotraohin’ny vavantafondro hosihosen’ny fiara mifono vy
Indrisy…Ry Lama, nahoana ianareo no tsy mahay manaja lalàna tahaka ny mpitoka-monina hafa?
mahafantatra avokoa ny rehetra fa tsy manao na inona na inona ianareo
Mpanao ramanenjana fotsiny
Raha mianatra avy amin’ny Anabavy Voaroy [19] momba ny fananana fifantohana hitandremana? Lafo kokoa ve ny vidiny, tsy mieritreritra ve ianao?

Vaovaon’ny alahady faha-16 Marsa:

Tahaka ny Sabotsy [20], dia mbola voasakana [21] ihany ny YouTube any Shina. Ampaham-baovao [22] kely ihany no tafavoaka an’i Lhasa amin’izao fotoana izao, na izany aza dia mbola misy fampahalalam-baovao madinika [23] misokatra ihany. Phayul.com ohatra dia ahitana lahatsary nalaina tamin’ny finday [24] maneho ireo mpitoka-monina maro nilahatra nandritra ny fanombohan’ny takariva omaly nanodidina ny monasiteran’i Labrang [25].
Tamin’ny sabotsy ihany koa, ny mpamahambolongana Robert ao amin’ny EconThink MSN Spaces dia namoaka ny fanambarana avy amin’ny mpitondra eo an-toerana [26] miantso ireo « namotika, nandroba, nandoro ary namono » mba hitolo-batana mialohan’ny 17 Marsa, fa izay manao izany dia mety tsy ho saziana fa raha tsy izany kosa dia ho faizina mafy, ary tahaka izany koa no hanjo ireo izay tratra manafina na mampiatrano ny jiolahy. Omena fiarovana kosa ireo izay mitondra ny « jiolahy » any amin’ny manampahefana.