- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Brezila sy Haiti: Rio de Janeiro sy ny Mpampandry tanin'ny Firenena Mikambana

Sokajy: Amerika Latina, Karaiba, Brezila, Haiti, Ady & Fifandirana, Fampandrosoana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Hevitra, Zon'olombelona

Namakafaka lalina i Aloisio Milani [1] [pt] fa “mety ho foto-dalàna sady azo heverina no azo ampiharina amin'ny fampanjakana ny filaminam-bahoaka ny fidiran'ny tafika an-tsehatra anivon'ny tanàna breziliana efa miaina herisetra isan'andro, noho ny fisiana fikambanana jiolahy voalamina any an-toerana, ny fahombiazan'ny miaramila misatro-manga (n'ny Firenena Mikambana)”. Nahare loharanom-baovao avy amin'ny tafika, (ny fivorian'ny) Minisitry ny fiarovana, ny fikambanana tsy miankina maro samihafa ary ireo manam-pahaizanaizy, ary havoakany tsikelikely mandritra ity herinandro ity ny andian-dahatsoratra sy nyresadresaka nataony.