Liban : Ny fifidianana Filoham-pirenena sy ny ireo fanohanana avy any ivelany

Efa dimy volana izao no tsy nanana Filoham-pirenena i Liban. Efa in-15 no nahemotry ny Filohan'ny Parlemanta ny fifidianana. Ny Parlemanta ao Liban, izay misy olom-boafidy 128, no tokony mivory ary mifidy izay ho Filohan'ny Repoblika. Mbola tsy nisy anefa izany hatramin'izao.

Nilaza ny Filohan'ny Parlementa fa tsy manaraka ny lalam-panorenana ny Governemanta ka tsy tokony hanatrika ny fivorian'ny Parlemanta. Minisitra 30, izay notendren'ny Filoha, araka ny voalazan'ny lalam-panorenana moa no ao amin'ny Governemanta – ary nahitana ny ankabeazan'ireo antoko politika.

Efa am-bolana izao no nametra-pialana ny minisitra dimy avy amin'ny mpanohitra, saingy hatramin'izao dia tsy mbola nekena tamin'ny fomba ofisialy izany fametraham-pialana izany. Mihena araka izany ny antoko politika manana solon-tena ao amin'ny Governemanta, ary manampy trotraka izany ny namonoan'ny olona ny Minisitra Pierre Gemayel.

Tsy nanaiky ny fangatahan'ny mpanohitra azy hametra-pialana ny Praiminisitra ary nanambara fa rehefa misy Filoha voafidy vao hanao izany izy. Samy manana ny mpanohana azy moa ny mpanohitra sy ny Governemanta, na avy amin'ny firenena manodidina, na amin'ny sehatra iraisam-pirenena, ka toa tsy misy vahaolana raha tsy manaiky ny hifampiraharaha izy ireo.

Mafanafana ihany ny adin'ireo antoko politika ka atahorana ny hisian'ny ady an-trano – indrindra fa tato aho ato dia re fa miady eny an-dalana ny mpanohana ireo antoko isan-karazany.

Miresaka indrindra ny fitsabahan'ny firenena avy any ivelany sy ny fianjadian'izy ireo amin'ny fifidianana Filoham-pirenena ny mpitoraka blaogy roa.

Ny fitsidihana nataon'i Samir Geagea, filohan'ny antoko Lebanese Forces any Etazonia no resahin'i In the Middle of the East, ary nilazany fa i Samir Geagea no mety ho tian'ny ao amin'ny White House ho filoham-pirenena vaovao ao Liban.

Samir Geagea, leader of the extreme rightwing christian Lebanese Forces, convicted for 4 separate assassinations including a Lebanese prime minister and rival christian leader Danny Chamoun, whose entire family was wiped out with him, is a man with probably more assassinations and war crimes on his conscience than anybody else in this country where war criminals are not exactly lacking. Yet when he visited the ‘you’re either with us or with the terrorists’ crew at the White House, he was warmly received by everybody on the Middle Eastern department there, all the way up to Rice. One man’s terrorist seems to be another man’s freedom fighter indeed.

[…] Franklin Lamb makes a lot of this visit (here on Counterpunch), and implies that Geagea might be the White House’s new favorite for the presidential post.

Samir Geagea angamba no milanja vono olona sy ady be indrindra ao amin'ny fieritreretany amin'ny olona eto Liban izay firenena fonenan'ny ady sy ny asa ratsy. Mpitarika ireo Kristianina mpitahiry fomba taloha izy, efa in-4 no nohelohin'ny fitsarana noho ny famonoana olona isan'izany ny Praiminisitra iray tao Liban sy Danny Chamoun izay mpitarika vondrona Kristianina hafa, ary efa malaza ratsy toa azy ny fianankaviana. An-kafaliana nefa no nandraisan'ny sokajy misahana ny Middle East sy Rice azy tamin'izay nitsidika ny fikambanan'ireo “na ianareo miaraka aminay – na ianareo mpampihorohoro” ao amin'ny White House. Toa ny fampihorohoroana ho an'ny hafa tokoa no ady ho an’ ny fahafahana ho an'ny hafa.[…] Miresaka matetika io fitsidihina io i Franklin Lamb (ao amin'ny Counterpunch), ary mampitsidika fa i Geagea indray no tohanan'ny White House ho Filoham-pirenena vaovao.

Manahy i Jeha's Nail amin'ny fandehanan'ireo mpanao politika ao Liban any ivelany mba hitady mpanohana na avy amin'ny firenena manodidina na amin'ny hery iraisam-pirenena. Fanohanana izay mety hahatonga azy ireo ho “takalon'aina” amin'ny adin'ny firenena manodidina.

It is a worrying spectacle to see our local politicians travel the globe, scurrying around to meet the great and (not so) good of the world, and earn their support. The worry has to do with our country's current dynamics…
In normal countries, all this travelling and visiting is carried out “in house”. In their quest to reach ultimate “Alpha Male” status, politicians jaw-jaw with local power-brokers, shake a few hands, talk up some ravenous crowds into frenzies of support, or smooch a few uncooperative babies.
In Lebanon, their traveling and visiting is carried out “extra muro”. In their quest to reach ultimate “Alpha Male” status, Lebanese politicians jaw-jaw with regional power-brokers, kiss a few hands (or worse), bribe some local ravenous crowds into frenzies of support, or display a few dead babies.
[…] In the absence of a stabilizing effect of the state, someone has to pay to maintain the country’s internal power equilibrium. Yet, since the Zombies of the “Inner Parties” have little value economically, the “Proles” cannot afford to fund such social parasitism.
So the support can only be external, and each leader has to find patrons to support this political addiction. To a certain extent, all our politicians become pawns in the regional chess game. They can at best try to be opportunistic.

Mampiahiahy ihany ny mahita ireo mpanao politika eto amintsika mitety izao tontolo izao, mihazakazaka hihaona amin'ireo firenena matanjaka sy (tsy dia) tsara, sy hahazo ny fanohanany. Mahakasika ny aina mamelona ny firenena izany ahiahy izany …Any amin'ny firenen-kafa dia ao “an-trano” ihany no atao io fitsidihina io. Mba hahazoany ny toeran'ny “Raiamandrenin'ny Firenena” [Alpha Male] dia miresaka amin'ireo mpanao politika manam-pahefana eo an-toerana ny mpanao politika, mifandray tanana aminy, manentana ireo vahoaka matin'ny hanoanana ka mahatonga azy ireo ho mpanohana matanjaka, na manambitamby ireo tsy mety miaraka miasa aminy.
Eto Liban dia “mihoatra ny rindrina” io fitsidihana io. Mba hahazoana ny toeran'ny “Raiamandrenin'ny Firenena” [Alpha Male] dia mifampiresaka amin'ireo mpanao politika amin'ireo firenena manodidina ny mpanao politika avy eto Liban, manoroka tanan'olona vitsivitsy (na ratsy noho izany), “mividy” ireo vahoaka matin'ny hanoanana mba hanohana azy, na mampiharihary famonoana olona.
[…] Noho ny tsy fisian'ny filaminana dia tsy maitsy misy ny olona miantoka ny fifandanjan'ny hery ao an-toerana. Tsy manana tanjaka ekonomia nefa ireo tsangan'olona “manankarena” [Inner Parties] ao an-toerana ka tsy afaka manohana fitsentsefana ny mpiara-belona tahaka izany ireo mpiasa madinika.
Noho izany dia avy any ivelany ihany no antenaina ny fanohanana, ary tsy maitsy mitady lehibe ireo mpitarika isan-tokony mba hanohana io fitiavana politika io. Raha izao no mitohy dia ho lasa “takalon'aina” amin'ny adin'ny firenena manodidina daholo ny mpanao politika eto amintsika. Ny manararaotra ihany no azon'izy ireo atao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.