- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Egypta: Hiatrika ny ampitso

Sokajy: Ejipta, Iràka, Fampandrosoana, Tantara

“Raha tianao ho fantatra ny ho avin'ny fiainan-janak'olombelona, dia aza ny toerana vaovao no todihanao. Jereo ny toerana antitra na efa niainan'ny olona hatry ny ela: Toerana izay efa nisiana mpitondra maro sy fanjakana matanjaka nifandimby na nifampisolosolo nihanahery sy nidaboka anarivony taona izao, toerana kely nifampisonana nefa namelona vahoaka anarivo arivony nandritra ny taonarivo maro. Jereo i Egypta. Jereo i Iràka,” hoy i Elijah Zarwan [1] izay manoratra avy any Egypt.