- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kôngô (RDK) : Ambaran'ny filoha Kabila fa tsara kokoa ny fiainan'ny Kôngôley

Sokajy: R.D. Kongo, Politika

Ny Blog du Congolais no mitatitra ny fisalasalany miatrika ny fanatintranteran'ny filoham-pirenena Kabila [1] mikasika izay fihatsaran'ny toetoe-piainana any Kôngô (RDK) :

Ouverture de la nouvelle session parlementaire. Les Présidents de deux chambres, se basant sur les rapports des vacances parlementaires de leurs collègues, dressent un bilan catastrophique de l’an 1 du gouvernement Kabila-Gizenga […]
Pourtant, Jeudi 6 décembre 2007, Joseph Kabila, président de la république, avait affirmé, pinces sans rire : ‘‘…les congolais vivent mieux qu’il y a une année et beaucoup mieux qu’il y en a quinze.”

“Fisokafan'ny taom-piasan'ny Antenimieram-pirenena roa. Mifototra tamin'ireo tatitra nataon'ireo solombavam-bahoaka mikasika izay hitany nandritra ny fakan-drivotra, ireo filohan'ny Antenimieram-pirenena roa tonta dia mamoaka tsoak'hevitra henjana mikasika ny taona voalohan'ny fitondran'i Kabila-Gizenga […]

Vao tamin'ny Alakamisy 6 Desambra 2007 anefa ny filoham-pirenena Joseph Kabila no nanatintrantintra, tsy mivazivazy, fa ‘‘… tsara kokoa nohon'ny tamin'ny taona lasa ary mihoatra lavitra nohon'ny tamin'ny 15 taona lasa ny fari-piainan'ny vahoaka Kôngôley” .”