- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tontolo iainana : Elefanta 14 nolefonina tany Amboseli, Kenya

Sokajy: Kenyà, Tontolo_iainana

Richard Leakey avy amin'ny Wildlife Direct [1] no mandefa fampilazana fanairana momba izay zavatra mitranga any amin'ny valan-javaboahary Amboseli [National Park] any Kenya, mikasika ireo Elefanta 14 nolefonina [2] :

…The range of causes of elephant spearing are complex enough — revenge, political protest, self- or crop-protection, delinquency, and, to a lesser extent in Amboseli at least, ivory poaching. But add to those the current atmosphere of uncertainty and unrest in the country, and the mix becomes volatile, the risk to elephants high.

“… Maro sady sarotsarotra ireo antony mety mahatonga ireo Elefanta holefonina – ny valifaty, ny fanoherana ara-politika, ny fiarovantena na fiarovana vokatra, ny tsy firaharahiana, ary fahita saingy amin'ny lafiny bitika any Amboseli, ny fitrandrahana tandroka Elefanta [ivory | ivoire]. Mbola manampy ireo koa anefa ny toe-tany izay mandry tsy lavo-loha sy mihotakotaka ka dia tena mora mipoaka tokoa ny fifanampian'izany toe-draharaha izany ka mampidangana ny loza hoan'ireo Elefanta.”