Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tonga soa ny GVO dika teny Alemana, Albaniana ary Masedoniana

Faly dia faly ny Global Voices Lingua milaza aminareo anio fa misokatra amin'ny fomba ofisialy anio ny teny Alemana, Albaniana ary Masedoniana. Pejy vaovao indray no misokatra anio.

Nahavory vondron'olona tonian-dahatsoratra sy mpanolotena handika teny maro mazoto sy mavitrika tokoa izahay hatramin'ny nanombohan'ity Lingua na teny maro ity, Ren'ny vahoaka maro kokoa avy amin'ny vazantany efatra sy amin'ny fiteniny ny Global Voices noho ny ezaka tsy voasanda nataon'izy ireo. Maneho ny dindon'ny fahamaroam-pitenenana isankarazany eto amin'ny World Wide Web tokoa ny Lingua amin'izao.

Nandany ron-doha (ny fotoany sy ny fahaizany) tokoa ireo mpandika teny ireo (fa tsy fitaovana mpandika teny tsy akory no ampiasaina!) hahatontosa ny kinendrin'ny Global Voices – amin'ny “hitondrana hazavana any amin'ny toerana sy vahoaka hafa izay adinon'ny haino aman-jery matetika.” Anisan'ny nanampy isa ny mpanaraka (na mpitsidika) ny Global Voices tokoa ny ezaka goavana tamin'ny fandikateny nataon'izy ireo.

Ankehitriny moa dia efa voadika amin'ny teny 12 ny Global Voices (Lingua). Tsy ampy tokoa izany mazava loatra! Mbola maro ny teny hafa tsy mbola tafiditra ao amin'ny Lingua aloha, saingy efa mizotra ho amin'izany isika ankehitriny. Ho avy koa ny amin'ny fiteny hafa. Avia miaraka aminay!Raha toa ka liana ihany koa ianao amin'ny fampiroboroboana, dia miangavy anao izahay hitsidika ny Takelaky ny Lingua ho amin'ny fanazavana bebe kokoa sy hahitanao ny adiresim-pifandraisana.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.