- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Armenia: Valintenin'ny mpitondra fanjakana

Sokajy: Fanoherana, Fifidianana, Politika, Teknolojia

Unzipped no mitatitra fa efa nivoaka ny filazana ofisialy momba ilay lahatsary niparitaka  nampiseho ny sampan'ny mpitandrony filaminana nitifitra mivantana teo anoloan'izy ireo [1] ankoatra ny fitarainana nataon'ny mpitondra fanjakana. Nolazain'ny bolongana ary fa mitady ny fanamarinana avy amina tsy miankina ny mpanadihady (mpitsara), na izany aza dia efa nametraka ny ahiahiny sahady amin'ny fahamarian'io lahatsary io izy ireo na dia tsy manana ny fitaovana manokana ho amin'izany aza.

Nambaran'ny bolongana ihany fa azon'ny rehetra nojerena ihany ilay lahatsary na dia noezahina aza ny hamefena ny fanapariaham-baovao ankoatra ny fampielezan-kevitry ny fanjakana  ho fanaporofoana ny hery vaikan'ny aterineto [2].