- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kôngô-Brazzaville : Fivoizana ny zo hoan'ny fitsaboana

Sokajy: Repoblikan'i Kongo, Fahasalamàna, Zon'olombelona

Ny Congolese Women on the web [vehivavy Kôngôley eto amin'ny Aterineto] no mitatitra momba fivoizana ny zo hoan'ny fitsaboana [1] any Kôngô-Brazzaville :

Indigenous people in all areas of Congo Brazzaville live in precarious conditions and are subjected to discrimination and marginalisation, which prevents them from benefiting from all the rights recognised by international human rights instruments, particularly the right to health care and other interdependent rights.

“Miaina amin'izay fomba tsizarizary ireo vahoaka indizeny izay monina any amin'ny faritra rehetra any Kôngô-Brazzaville no sady matetika isedran'ny fanavakavahana sy fanaovana ankila-bao, izay manakana azy ireo hanararaotra ireo zo fototra hoan'ny olombelona, izay iaraha-manaiky eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, ary ahitana koa ny zo hoan'ny fitsaboana sy izay zo rehetra hafa mifandray sy miankina amin'izany.”