- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Afrika Atsimo : Horonan-tsary tao Free State mivoy fanavakavaham-bolon-koditra

Sokajy: Afrika Atsimo, Foko sy Fiaviana, Zon'olombelona

Nafanafana indray nandritra ny folo andro ny fanoherana ny habibiana sy ny fanavakavaham-bolon-koditra ao Afrika Atsimo. Horonan-tsarimihetsika iray mivoy fanavakavaham-bolon-koditra [1] novokarin'ny mpianatra 4 avy ao amin'ny Free State University [2], maneho mpanadio mihinana sakafo efa namanizan'ny mpianatra iray moa no nitarika ireo hetsika ireo. Hita ao amin'ilay horonan-tsary koa ny fanararaotana sy fampijaliana ilay mpanadio amin'ny fomba feno habibiana sy fanavakavahana. Tsy nampiseho alahelo na nenina, ary tsy mba niala tsiny [3] akory ireto mpianatra na dia teo aza ny fanamelohana [4] nataon'ny andrim-panjakana sy ny antoko politika isan-karazany, ary koa ny tao amin'ny toerana fonenan'izy ireo izay nanalady noho ilay horonan-tsary.

Misy fitantarana antsipirihany ny voarakitra ao amin'ilay horonan-tsary ato [5].

Nampiharihary ity zava-misy ity koa ny blaogysfera ao Afrika Atsimo. Toy izao ny songadina amin'ny voalazan'izy ireo …

Casper Chaotic [6]:

As a white person, I am ashamed that some white people – like these – deem it necessary to act in such an inhumane and cruel way. People like these go against everything that Msanzi stands for. It shows flagrant disregard for our constitution and creates the incorrect perception that all white people are racists. The time has come for white people around South Africa to unite against evil such as this.

South Africa is NOT a country for racists. My message to anyone who deems to do anything that promotes the notion of racism: “Get out of my country and stay out!”

Amin'ny maha-fotsy ahy, dia tena menatra tokoa mahita ny olona fotsy – tahaka itony – mihevitra fa ilaina ny manao fihetsika mamofady sy manitsakitsaka ny maha-olombelona toy izao. Ny olona tahaka itony dia manohitra tanteraka ny Msanzi ! Mampiseho ny fanitsakitsahana ny lalam-panorenana ny zavatra toy itony ary mitarika amin'ny hevi-diso toy ny hoe mpanavakavaka daholo ny olona fotsy. Izao angamba no fotoana ho an'ny olona fotsy eran'i Afrika Atsimo hiraisana hina sy hanoherana ny asan-devoly tahaka izao.

TSY firenen'ny mpanavakava-bolon-koditra i Afrika Atsimo. Izao no hafatro ho an'ireo izay mikasa hampiely ny fanavakavaham-bolon-koditra : “Miala eto amin'ny fireneko, dia mijanona any ivelany ! “

Eye Spy Truth and Lies [7] :

Those ‘darlings’ of UFS need to be need to be punished, harshly. My blood runs cold as I think of how these boys – boys because men would not behave as such – bullied and bribed the cleaners. I have heard people call it simple initiation, but really this is not initiation – the video was made in the wake of residence integration, it depicted a MOCK initiation, what they would do should they be forced to accept people of colour into the residence.

Although the women involved have since come out and said they were not forced they admitted they did not know what they were doing it for. The question now arises why did they participate? Well if you are a mere cleaner surrounded by rich and powerful young men who may or may not have ignored them, or treated them poorly, would you not be a little flattered if they suddenly asked you to do something with them, would the sudden ‘friendly’ attention and promises of whiskey not entice you?
I do agree their targeting the cleaners and the matter they were ‘protesting’ against was racially motivated, but racism is a social condition not a political soapbox.

Ironically the father of one of the students lashed out at the media for its coverage of the issue, saying the matter had been blown out of proportion and his son's rights had been prejudiced, as he had not even had a hearing yet. He also said the boys had not had an opportunity to explain. Well they have had the opportunity, once they were named their lawyers handled the comment.

Since the father spoke out there are a few things I have been wondering.
1. Regardless of the motivation behind the video, how would he feel if he saw his wife or daughter in a video as such. A video where black men are pretending to pee into her food, a video where she is called a whore, and made to appear of little worth, pathetic and completely subservient to those men making it? Would he not be screaming from the roof tops, in all the papers?
2. Is there anything to blow out of proportion? If my sister, mother or aunt were those videoed by your son and his friends, well I would be after them with all the force I can summon. What they did was wrong. People need to admit it! Stop protecting him, stop making him into the victim, rather admit his actions were wrong and let him learn from the errors of his ways! That is what a parent or friend is being about!
3. Do does anyone feel what they did was right, if so do than maybe they should look at themselves, wonder what sort of person they are, and take a good look at what morals they have taught their children. Rather fix the mess on your doorstep and maybe everyone will stop talking about it.

Mila fanasaziana henjana itony “malalan'”ny UFS itony. Mivaingana mihitsy ny rako mieritreritra itony ankizy lahy – ankizy lahy satria ny lehilahy lehibe tsy manao zavatra toy izao – nampihorohoro sy nampijaly ny mpanadio. Misy olona milaza fa tari-panazavana ihany izao, fa tsy tari-panazavana mihitsy io – talohan'ny fifampifandraisana tao amin'ny toerana fonenan'ireto mpianatra no namokarany io horonan-tsary io, ary taratra amin'io izay mety ho ataony raha terena hanaiky ny olona tsy fotsy eo amin'io toeram-ponenany io izy ireo.
Na dia nilaza aza ireo vehivavy fa tsy noterena izy ireo, dia nanambara kosa izy ireo fa tsy fantany izay antony nanaovan'izy ireo azy. Ny fanontaniana manitikitika dia hoe : Nahoana izy ireo no nanao ireny ? Raha mpanadio ve ianao, ary misy tovolahy mpanankarena sy matanjaka izay mety nahafantatra, mety tsy nahafantatra anao akory, na manivaiva anao, tsy mahagaga ihany ve raha tampoka eo izy ireo dia mangataka anao hanao zavatra miaraka aminy ? Tsy karazana fanambatambazana ve ny “finamanana” sy ny fampanantenana whiskey tampotampoka eo ?
Ekeko fa ny mpanadio no nanaovan'izy ireo io hetraketraka io, ary fanavakavaham-bolon-koditra no isan'ny antony nanaovany azy, saingy manana sanda ara-tsosialy ny volon-koditra fa tsy firehana politika.Nitsikera ny fahanovan-gazety moa ny rain'ny iray tamin'ireo mpianatra noho ny fanadihadiana sy ny fitanteran'izy ireny ity raharaha ity. Nilaza izy fa nohitarina ny zavatra nitranga ary toa ambaniana ihany ny zon'ny zanany satria tsy mbola nomena fahafahana miteny akory izy. Nambarany tamin'izany fa tsy mbola nomena fahafahana hanazava akory ireo mpianatra. Efa nanana fahafahana hanome fanazavana izy ireo raha vao voatendry ny mpisolo vava azy ary niandraikitra ny tsikera mikasika ity raharaha ity.

Hatramin'ny nitenenan'io rainy io dia misy zavatra maromaro mahalasa ny eritreritro.

1 – Na tsy hidirantsika aza ny antony namokarana ilay horonan-tsary, inona no mety ho tsapana raha mahita ny vadiny na ny zanany vavy amin'ny horonan-tsary tahaka ireny ? Amin'ny horonan-tsary misy lehilahy mainty mamany amin'ny sakafony, miantso azy hoe “makorelina”, misy azy nanambany tena, ary nanompo tanteraka ireo nanao ny horonan-tsary ? Tsy hikiakiaka eny an-tafon-trano ve izy, any an-gazety rehetra any ?
2 – Misy zavatra azo itarina ve mikasika iny raharaha iny ? Raha ny anabaviko, ny reniko na ny nenitoako no noraisin'ny zanakao sy ny namana an-tsary tahaka ireny, dia ho enjehiko amin'ny hery rehetra mety ho voahangoko izy ireo. Tsy mety ny zavatra nataony. Mila manaiky izany ny olona ! Atsaharo ny fiarovana azy, sy ny fiheverana fa izy no nanaovan-dratsy. Ekeo fa nanao zavatra tsy mety izy, ary aleo izy hanitsy ny tenany amin'iny hadisoana nataony. Izany no maha-ray aman-dreny sy maha-namana.
3 – Misy olona mieritreritra ve fa mendrika ny zavatra nataon'izy ireo ? Raha misy izany dia tokony mandini-tena, mba olona inona loatra izy ireo, ary karazam-pahendrena manao ahoana nampitainy tamin'ny zanany. Alamino ao an-tranonao ny olana dia mety hitsahatra hiresaka io raharaha io ny olona.

Bad Entrepreneur [8] :

It has been a dark week in South Africa and for once it has nothing to do with the local energy supplier. A racist video has surfaced and negative images have flashed across the globe and the international media have turned on the country saying that our purported “transformation” is only a façade. The country is hurting.

Herinandro tena maizina ho an'i Afrika Atsimo iny herinandro iny, fa tamin'ity dia mba tsy nisy hifandraisany tamin'ny famokarana herin'aratra. Noho ny namokarana horonan-tsary mampiseho fanavakavaham-bolon-koditra, dia malaza ratsy eran-tany isika, ary ny firenena iray maontolo no notondroin'ny mpanao gazety iraisam-pirenena ka nilazany fa endrika ivelany fotsiny ny fiovana eto amintsika. Mijaly ny firenentsika.

Toa tsy ny olona rehetra avy ao Afrika Atsimo no nandray tsara ny fifandraisan'ny kolontsaina sy ny fiaraha-monina tsy misy fanavakavaham-bolon-koditra. 14 taona aorian'ny nahataperan'ny Apartheid no nitrangan'izao raharaha izao, mampiseho izany fa mila fotoana ela ny fiovana, ary aorian'izany aza dia mbola hisy foana ireo miavaka amin'ny fiaraha-monina ka hanosika ny fahendrena sy ny moraly. Ny Parlemanta ao Afrika Atsimo moa dia manameloka [9] ny endrika fanavakavaham-bolon-koditra sy ny fanavahana ny lahy sy ny vavy rehetra satria mampihen-danja ny lalam-panorenana eo amin'ny firenena izany. Ankoatra io horonan-tsary mampiseho fanavakavaham-bolon-koditra io, dia nomelohin'izy ireo koa ny fanafihana nihatra tamin'ny vehivavy iray vao haingana [10] satria nanao akanjo fohy izy. Vitsy nefa ny mpitoraka blaogy avy ao Afrika Atsimo niresaka io raharaha iray io.