- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rosìa : Hatsikana politika

Sokajy: Rosia, Fahalalahàna miteny, Fifidianana, Hehy, Politika, Tantara

La Russophobe no mitatitra ireo hatsikana fanaon'i Dave Essel [1] mikasika ny Sovietika na koa ny toe-draharaha ankehitriny. Santionany amin'izany :

Putin’s Reform Programme:
1. Make people rich and happy;
1a. List of people attached.

“Programan'ny filoham-pirenena Poutine :
1. Hanao izay hampanankarena sy izay hiadanan'ireo “people” [vahoaka];
1a. Indro ny lisitr'ireo “people” [olo-fatam-bahoaka].”

[FANAMPIM-PANAZAVANA : Fony nampanantena ny filoha Poutine dia noheverin'ny vahoaka izay nifidy azy fa izy ireo no iantefan'ny fampanantenana … kinanjo taty aoriana dia hita fa izay olombitsy namana akaikin'ny filoha sy ny fitondrany ihany no nanankarena, satria misy dikanteny roa ny hoe “people”].