- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Afrika Atsimo : Ho fanohanana ny fametrahana ny “fanampian-tosika ara-bolo-koditra”

Sokajy: Afrika Atsimo, Foko sy Fiaviana, Tantara

Tohanan'i Na'eem ny “fanampian-tosika ara-bolo-koditra” izay kasaina apetraka any Afrika Atsimo [1] :

Anyone who believes that such “race-based” organising has no place in the “new South Africa” either has no clue, at best, about what apartheid did to black people or, at worst, wants to ignore the persistent aspects of apartheid and move on as if life really has substantially changed for black people. The latter attitude serves only to entrench white privilege. The argument that I have heard repeatedly over the past few weeks, therefore, that “there is no place for race-based organisations in a democratic South Africa”, is nonsense […]
racism is not about “race”; racism is about power relationships. Those who are powerless cannot be racists. Racists are those who have power over another group of people and who wield that power in a manner that is detrimental to the latter and which privileges the former.

“N'iza n'iza mihevitra fa tsy tokony hanana ny toerany anivon'i “Afrika Atsimo nohavaozina” izany “fanampian-tosika ara-bolo-koditra” izany [fanomezan-danja ireo volon-koditra vitsy “solontena” amin'ny fitadiavana mpiasa vaovao ohatra] dia olona tsy mahalala velively ireo takaitra nampitondrain'ny “apartheid” ireo izay mainty hoditra, na izy olona minia tsy mahita tsotra izao, fa maro amin'ireny takaitra ireny no mbola tavela, ka manao ho toy ny efa nisy fiovana sahady ny fari-piainan'ireo mainty hoditra. Io fomba fihevitra io anefa dia natao hiarovana izay tombontsoa an-tanan'ireo fotsy hoditra. Tsy mitombona izany ireo feo maro izay reko nandritra ny herinandro vitsivitsy izay manambara fa “tsy misy toerana hoan'ny “fanampian-tosika ara-bolo-koditra” ao anivon'ny Afrika Atsimo […]
tsy ny firazanana velively no ifotoran'ny fanavakavaham-bolokoditra [racism|racisme]; fa resaka fifampitondrana ombam-pahefana. Tsy mba afaka ny ho mpanavakavaka ara-bolokoditra ireo izay osa sy malemy. Izay manana ny fitondrana sy fahefana eo am-pelatanana amin'ny sarangan'olona hafa noho izy ka mampiasa izany fahefana izany hanindriana ireo sarangan'olona hafa sy hansoasoana izay saranga misy azy, no mpanavakava-bolo-koditra.”