- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arabia Saodita : Tsy misy kafe hoan'ny vehivavy

Sokajy: Amerika Avaratra, Arabia Saodita, Etazonia, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

Lalla Mona avy any Arabia Saodita no manapariaka sary fandraràna roa [1] : ny voalohany nalaina tany Amerika tamin'ny taona 1931 “Dobo filomanosana : Natokana hoan'ny fotsy hoditra” ny faharoa kosa mbola fahita ankehitriny any Arabia Saodita “Araky ny fanapahan-kevitry ny Sampana misahana ny fanapariahana ny fitondra-tena “maotina” sy fiarovana tsy hipariahan'ireo “fitondratena tsy mendrika” dia raràna ny manolotra kafe hoan'ny vehivavy.”