Luz de Luma dia isan'ireo mpiblaogy mivoy ny hetsika iarahan'ny mpiblaogy ao anivon'ny Pôrtigalasfera mba ho fanoherana ny fanolanan-jaza, izay hotanterahina ny faha-14 Febroary 2008 :
Quando propus a blogagem e usei o termo que a ilustra, fui visitada sistematicamente pelos computadores da policia federal. Sinal de que eles estão atentos a tudo que acontece no ciberespaço. Mas e nós, cumprimos a nossa tarefa em casa ? Seus filhos usam computadores sozinhos ? Ciudado.
“Hatramin'ny nanolorako ny hevitra hanatanterahana ity hetsika iombonana ity sady nampiasako ny teny pedôfila, dia mametika namangy ny vohikalako ny solosain'ny Polisy Federaly. Izany dia famantarana ho antsika fa manara-maso izay zava-miseho eto anivon'ny seraseran'ny Aterineto ry zareo. Saingy isika any an-trano any ve mba samy nahefa ny adidiny, sa mbola mampiasa solosaina [mirohy amin'ny Aterineto] tsy misy fanaraha-maso ireo zanantsika ? Samia mailo.”
11 hevitra
“Mila fanampim-panazavana ? Azonao vangiana ny blaogy “Brezila manohitra ny fanolanan-jaza” [Brazil against Pedophilia]. Ankoatr’izany dia mihetsika ny blaogosfera androany ka mihoatry ny 200 ireo mpiblaogy miara-mientana ho fanoherana izany fanolanan-jaza izany sy ho fiarovana ireo tsy manan-tsiny ! Vakio ny lahatsoratr’ireo mpandray anjara maro hafa” hoy i universodesconexo – indreo rohy vitsivitsy etoana ary ato ny lisitra feno >>